Webradio

SEHA-PIHARIANA DRAKAKA : Azon’ny mpanangom-bokatra rehetra atao ny fitrandrahana

Didim-pitondrana laharana faha 30/2020 no mirakitra izany lalàna izany, ary mitsinjara telo karazana ireo olona na orinasa afaka manao ny fitrandrahana rehefa mahafeno ny fepetra ara-panjakana. 22 mai 2020

Voalohany ny olon-tsotra tsirairay na orinasa, ny faharoa ireo olona mpikambana ao amin’ny kaoperativa ary ny orinasa mpanangom-bokatra vaventy mpanondrana eto Madagasikara sy any ivelany ny fahatelo. Minisitera roa tonta dia ny toekarena sy ny fitantanam-bola ary ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono no miara-miantoka io seha-pihariana drakaka sy ny fanangonam-bokatra amin’izany. 

Azon’ny rehetra atao ny mitrandraka ity harena an-dranomasina iray ity rehefa mahafeno ny fepetra ny olona iray na fikambanana sy ireo orinasa vaventy na salantsalany hisehatra aminy fanangonam-bokatra drakaka eto amintsika, hoy ny talem-paritra ny minisitera mpiahy eto Boeny, raha toa ka nampitaraina ny fikambanan’ny mpanangom-bokatra teto Mahajanga izany telo aloha.

Marcos.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés