Webradio

FIVOARAN’NY “COVID-19” : Miisa 405 ireo voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina

Tsy mitsaha-mitombo ary tena mihazakazaka be ny fitombon’ny isan’ny olona vita fitiliana ary hita fa mitondra ny tsimok’aretina “Covid-19” eto Madagasikara.  22 mai 2020

Raha ny antontan’isa ofisialy navoakan’ny Ccoc Ivato omaly antoandro dia efa mananika ny 405 amin’izao ireo voamarina fa mitondra an’ity tsimokaretina ity eto Madagasikara. Ny 131 tamin’ireo no efa sitrana soa aman-tsara, raha mbola manaraka fitsaboana kosa ny ambiny.

Raha ny tarehimarika omaly dia tranga vaovao miisa 34 indray no voamarina taorian’ny fitiliana natao. Mitana ny lohalaharana hatrany i Toamasina satria ny 24 tamin’ireo olona vaovao marary ireo dia avy any Toamasina avokoa. Ny folo kosa dia fantatra fa avy any Moramanga. 

Raha ny vaovao ofisialy mivoaka eny anivon’ny foibem-pibaikoana ny ady atao amin’ny Covid-19 eny Ivato dia azo lazaina ho mangingina ny fivoaran’ity valanaretina ity ho an’Antananarivo tato ho ato, raha tena niha nirongatra izany any Toamasina sy Moramanga. Nanamafy ny mpitondra tenin’ny Ccoc fa tsy misy afa-tsy ny fanarahana an’ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka ihany no vahaolana tokana azo andresena an’ity valanaretina ity. Heverina mantsy fa tena mampitombo faran’izay haingana an’io tarehimarika io ny gaboraraka sy ny tsy fahazain’ny olom-pirenena tsirairay mifehy tena. 

Avotra Isaorana 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés