Webradio

HOMEOPHARMA MAHAJANGA : Nahatonga fanafody hiarovana sy hiadiana amin’ireo valanaretina

Nahatonga fanafody maro miaro sy miady amin’ny aretina Covid-19 sy ny dengue ny homeopharma eto Mahajanga.  22 mai 2020

Efa mihanaka eto Mahajanga ny aretina dengue ankehitriny, izay aparitaky ny moka aedes. Miisa 2000 mahery ireo olona voa ankehitriny. Nahitana trangana Covid-19 ihany koa. Noho izany dia ilaina ny fisorohana. Ankoatra ny CVO izay efa amidy eny amin’ireo mpivarotra lehibe eto Mahajanga dia manana tolotra maro ihany koa ny Homeopharma. Natoraly sy vita amin’ny zavamaniry avokoa ireo fanafody amidin’izy ireo. 

Hampiakarana ny hery fiarovana sy miaro amin’ny dengue, ohatra, ny fanalasimba, hoy ny fanazavana. Ny ravintsara koa dia efa niadiana sy nisorohana tamin’ny gripa hatrizay no iarovana amin’ny fihanaky ny Covid-19 ihany koa. Tsara ny manatona mpivarotra satria maro ny tolotra ka samy manana ny tandrify azy

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés