Webradio

FANKALAZANA NY TAOM-BAOVAON’IMERINA : Hanaja ny fepetran’ny hamehana ara-pahasalamana

Voafaritry ny fanisan’andro ho amin’ny 23 mey izao ny andron’ny taona vaovao araka ny fanisana andro nampanaovin’ny Mpanjaka Ralambo an’i Habibo, mpanandrony, ary nankalazan’ny taranak’i Nenibe Ranavalotsimitoviaminandriana ny taom-baovaon’Imerina nandritra ny 445 taona. 22 mai 2020

Hankalaza ny taom-baovaon’Imerina voatondron’ny tetiandro miompana amin’ny tsinam-bolana ho amin’ny andron’ny 23 mey izao ny fikambanana Zanadranavalona, ivondronan’ny taranak’i Nenibe Ranavalotsimitoviaminandriana eny Anosimanjaka sy ireo mpandala ny fanisana andro nomen’i Habibo hampiasain’ny Mpanjaka Ralambo amin’ny sabotsy 23 mey izao.

Notsipihin’ny filohan’ny fikambanana, Ravelonarivo Alain Eddie, kosa fa tsy maintsy mifanaraka amin’ny fepetra takin’izao vanim-potoan’ny hamehana ara-pahasalamana izao ny fanamarihana hatao ao anatin’izany tonon-taona izany, ka tsy hisy ny hetsika hiombonana fa samy hanatanteraka ny azy isan-tokantrano aloha ny fianakaviana tsirairay. 

Tsinana ny tolakandron’ny 22 mey ny volana alahamady amin’ity ka tsy maintsy ny loak’andron’io no handraisana ny taona vaovao, araka ny fanazavan’ny mpahay tetiandro, Rabearisata Arima.

Makoalahy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés