Webradio

FAMPIJALIANA ZAZAKELY AO ANDAPABE : Hitory ilay renikely ny Talem-paritry ny mponina Faritra Sava

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera fesiboky, ny faran’ny herinandro lasa teo iny ny sarin’ilay zazalahikely antsoina hoe Speranto, feno ratra ny faritra maro amin’ny ny vatany. 26 mai 2020

Monina ao Besahona, Kaominina Andapabe ao anatin’ny Faritra Sava iny io zaza io, ka ny rainy niteraka azy sy ny renikeliny no nitaiza azy, raha ny loharanom-baovao. Miaritra ny mafy vokatra ny vono sy fampijaliana ataon’ilay renikeliny ity farany raha ny fitantaran’ny mponina eo amin’ny manodidina. Saika ho isan’andro ny famonoana ilay zaza ary hita amin’ny endrika sy eny amin’ny vatany ireo ratra manjo azy. Manoloana ity tranga ity, niditra an-tsehatra mihitsy ny Talem-paritry ny mponina Faritra Sava, nidina ifotony nijery ny tena zava-misy marina. 

Ankehitriny dia nanamafy sy nanaporofo tokoa fa ianjadian’ny herisetra marina i Speranto, hany ka nanapa-kevitra ny handray andraikitra ary hametraka fitoriana eo anatrehan’ity tranga ity ny Talem-paritra amin’izao fotoana izao na dia tsy mbola nametraka izany aza ny raim-pianakaviana. Etsy ankilany, taitra ny fokonolona hatreto raha nanao fanambaràna indray ny rain’ity zaza fa izy ihany no nampijaly ny zanany fa tsy ity renikely .

“Raha misy fitoriana ny vadiko, hoy ity farany dia afaka madiodio izy satria tsy misy idirany mihitsy ny resaka fampijaliana zaza.” Marihina moa fa vady faharoa an’ilay rangahy io arovany mafy io. Arahina akaiky ny tohin’ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés