Webradio

DISTRIKAN’ANTSALOVA : Voasambotry ny fokonolona sy zandary ilay mpimasy mpitaiza dahalo

Anisany mampirongatra ary mampahazo vahana ny asan-dahalo any ambanivohitra amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy ny fisian’ireo mpimasy mpitaiza sy mpanome ody ireo jiolahy. 26 mai 2020

Miezaka kosa ny mpitandro filaminana tato ho ato ny amin’ny famongorana azy ireo. 
Miara-miasa akaiky amin’ny fokonolona hatrany mba hahazoana loharanom-baovao mikasika izany. Toy ny tranga tao amin’ny fokontany Manavony, Kaominina Bekopaka, Distrikan’Antsalova, lehilahy iray malaza ho mpitaiza dahalo no voasambotry ny Zandary ny faha 24 mey lasa teo.

Mpamatsy fanafody ireo olon-dratsy io lehilahy io raha ny fanazavana voaray avy amin’ireo olon-tsotra monina ao an-toerana. Nifarimbona araka izany ny mponina sy ny Zandary avy ao amin’ny CSAO Beravina ary ny avy ao amin’ny Borigadin’i Bekopaka nisambotra ity farany.  

Rehefa natao ihany koa ny fisavana ny trano fonenany dia nahitana karazana fanafody gasy maro niampy tapakazo ary kahie fampiasa amin’ireo tapakazo ireo. Notazomina ao amin’ny Borigady Bekopaka hatreto ilay mpimasy mba hatao famorana lalina mialoha ny hiakaran’ny raharaha eo anivon’ny Fampanoavana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés