Webradio

HARIN-KARENA FAOBE 2020 : Hihena hatrany amin’ny 0,8 isan-jato noho ny Covid-19 eto Madagasikara

Vokatry ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara nanomboka ny volana marsa lasa teo dia fantatra fa hihena hatrany amin’ny 0,8% ny fitombon’ny harin-karena faobe amin’ity taona 2020 ity raha toa ka novinavinaina ho 5,5% izany tao anatin’ny tetibola LFI  2020. 4 juin 2020

Nandritra ny tatitry ny praograman’asa nataon’ny mpikambana  eo anivon’ny Governemanta manoloana ireo solombavambahoaka teny amin’ny CCI Ivato, tamin’ny talata lasa teo no nanambaran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandranto io tatitra io. Nihena ihany koa ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra sy ny fadintseranana raha ny nambarany satria raha toa ka 7 036 miliara Ariary no tao anatin’ny LFI 2020 dia tombanana ho 5 178 miliara Ariary izany ao anatin’ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibola nasiam-panitsiana na (Projet de Loi de Finances Rectificative (PLFR 2020)

Nanantitra anefa ny Minisitra fa araka ny toromariky ny Praiminisitra dia hojerena isaky ny distrika ny famatsiana ny praograma momba ny fampiasam-bolam-panjakana na ny  PIP manomboka izao. Nohazavainy koa fa ao anatin’ny drafitra fanarenana an’i Madagasikara dia misy ny dinika iarahana amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena mba hanafoanana tanteraka ireo trosan’i Madagasikara.  Trosam-panjakana izay manodidina ny 36% amin’ny  PIB. "Azo lazaina ho ambany izany raha oharina amin’ireo Firenena hafa satria raha any Afrika dia 46% ny PIB izany trosam-panjakana izany, ho an’ny Japon kosa dia 200% ny PIB ary ho an’ny France 100% ny PIB", hoy ny fanazavan’ny Minisitra.

Raha tsiahivina, efa nahazo fanafoanana amin’ny ampahany amin’ny trosan’ny FMI isika. Ankilan’izay, nangatahan’ireo solombavambahoaka ihany koa ny hialana amin’ny fitrosana lava amin’ireo mpamatsy vola mahazatra. Nanantitra ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena fa samy sahirana avokoa ny toekarena maneran-tany amin’izao fotoana izao noho ny fiantraikan’ny Covid-19 ka tsy tokony hiankin-doha amin’ny mpamatsy vola mahazatra intsony ny mpitondra. Fotoana izao, hoy ireo solombavambahoaka, hanandratana ny tena hambom-pom-pirenena ka hanomezana lanja ny ny toekarena ato anatiny.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés