Webradio

SEHA-PIHARIANA DRAKAKA : Ny fahorian’ny mpanangom-bokatra no mba ifalian’ny mpanjifa

Iray ihany dia ilay Sinoa eny Betamanga sisa mividy drakaka aondrana eto Mahajanga. 3 juin 2020

Tsy mandray intsony ny sasany satria tsy mbola misokatra ny tsenam-barotra, izay Chine no mandray be indrindra no sady tsy sarotra toy ny mankany Eoropa ny fenitra takina. Eny no alehan’ireo mpanangom-bokatra voalohany ary tsy manaiky mivarotra ho an’ireo mpivarotra eto an-toerana mihitsy izy ireo raha tsy efa nandalo sivana tao amin’ny Sinoa ny entany ka izay tsy raisin’ny Sinoa no amidy eto Mahajanga. Voafetra anefa ny drakaka alain’ireo Sinoa, ka velon-taraina ny mpanangom-bokatra izay mitaky ny hampitomboana isa ny mpanondrana ary indrindra hanomezana “agrément d’exportation” ny Malagasy.

Faly kosa ny mpiantoka eny an-tsena fa mba misy drakaka lehibe azo amidy fa tsy ireo madinika toy ny taloha. 2 000 Ariary ka hatramin’ny 2500 Ariary no ividianan’izy ireo ny drakaka ary amidiny arakaraka ny halehibeny... Faly koa ny mpanjifa fa efa mora hita eny an-tsena no sady mora vidy ny drakaka. Teo aloha dia nahatratra 20 000 Ariary ny kilaon’ny drakaka. Izao kosa dia manodidina ny 5 000 Ariary no ividianan’ny mpanjifa ny kilaony. Sahirana ireo mpanangom-bokatra fa faly kosa ny mpanjifa eto Mahajanga.

Na izay aza dia mampitaraina ny mponina manodidina ireo orinasa mpividy drakaka ny fofona maimbo sy fotaka aterak’ity asa ity ka tokony hametrahana fenitra.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés