Webradio

ZANAKA ANALANJIROFO AO BARIKADIMY : Miantso ny Filoham-pirenena hanendry ny Governoram-paritra

Taorian’ny nahafatesan’ny lehiben’ny Faritra Analaniirofo mpisolo toerana, Tsaramandihy Honoré Paul, dia tsy mbola voatendry izay ho solony.  9 juin 2020

Miandrandra fanendrena ny Governoram-paritra ny vahoaka ao Analanjirofo. Tsy vitan’ireo miasa sy monina ao an-toerana ihany fa efa maneho ny hetahetany ihany koa ireo tanora zanak’ Analanjirofo mandranto fianarana ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Nandritra izany no nilazan’izy ireo fa mahatsiaro ho tsy misy mpiahy tanteraka ireto mpianatra ireto taorian’ny fahalasan’ny lehiben’ny Faritra. Noho izany, angatahan’ireto mpianatra ireto ny fanendrena ao anatin’ny fotoana fohy ny Governoram-paritra mba hanohy ireo asa fampandrosoana efa nataon’ny teo aloha. Anisan’izany ny lafiny sosialy. Nambaran’izy ireo mantsy fa anisany nanampy azy ireo tamin’ny lafiny sosialy ny lehiben’ny Faritra, indrindra tamin’izao vanim*potoanan’ny fihibohana izao.

Ny lehiben’ny Faritra nifandimby rahateo no filoham-boninahitry ny fikambanana zanak’ Analanjirofo ao Barikadimy. Notsindrin’ireto mpianatra ireto kosa fa mba tokony ho olona tena afaka hanatanteraka marina ny vinan’ny Filoham-pirenena anefa no ho eo amin’ny toerana. Nametraka tanteraka ny fitokisana amin’ny Filoham-pirenena izy ireo. Mino izahay fa fantatry ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina izay hahasoa ny Faritra Analanjirofo, hoy hatrany ireo tanora zanaky ny Faritra Analanjirofo mandranto fianarana ao Barikadimy nihaona tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina, ny alakamisy 4 jona lasa teo.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés