Webradio

SEHA-PIHARIANA LAVANILA : Hatsangana ao Antalaha ny "Complexe de la vanille"

Nanatanteraka atrikasa ireo Ben’ny tanàna rehetra ao anatin’ny Faritra Sava, ny zoma 12 jona teo tao Vohemar. Ny governoram-paritra Sava izay notronin’ny prefen’i Sambava no nitarika izany atrikasa izany. 15 juin 2020

Nifantoka tamin’ny fametrahana ireo rindran-damina mikasika ny taom-piotazana lavanila ny taona 2020-2021 ny atrikasa izay narahana fifanakalozan-kevitra mikasika ny fampandrosoana ny Faritra, ary tsy latsa-danja ihany koa ny fanamafisana ireo fepetra ara-pahasalamana amin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus na Covid-19. 

Fantatra nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ireo Ben’ny tanàna rehetra ao anatin’ny Faritra Sava ity ihany koa ny hananganana ny "Complexe de la vanille" ao Antalaha. Araka ny fantatra hatrany dia ahitana laboratoara sy mozea ary ivon-toeram-piofanana mikasika ny seha-pihariana lavanila izany fotodrafitrasa hatsangana izany. Ny Fanjakana foibe tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina no hamatsy vola amin’ny fanatanterahana izany.

Nandritra ny atrikasa ihany dia samy naneho fahavononana ireo tompon’ andraikitra ao anatin’ny kaominina rehetra nandray anjara fa hanaja ireo fepetra sy ny lalàna rehetra mikasika ny seha-pihariana lavanila. Voakasik’izany ny fanajana ny daty isokafan’ny tsenan’ny lavanila, fanamafisana ny andrimasom-pokonolona mba hisorohana ny halatra lavanila ary ny fandrarana ny fiotazana mialoha ny fotoana. Natao izany mba hanatsarana ny kalitaona lavanila amin’ny fividianana sy fivarotana ny vokatra.

Ankoatra ny momba ny lavanila dia voaresaka ihany koa ny mikasika ny ady amin’ny coronavirus. Araka ny tapaka nandritra ny atrikasa dia tsy maintsy mihiboka mandritra ny 14 andro ireo vahiny rehetra izay manana fahazoan-dalana tonga ao amin’ny Faritra Sava. Hamafisina, araka izany, ny barazy ara-pahasalamana amin’ny lalam-pirenena sy eo anivon’ny kaominina rehetra any Sava, mba hahafahana manara-maso ireo vahiny miditra any an-toerana. 

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés