Webradio

FENOARIVO ATSINANANA : Zandary telo anokafana fanadihadiana amina raharaha fakàna vola

Nandriaka ny ra tao amin’ny fokontany Sahafotaka, Kaominina Vohipeno, distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana, Faritra Analanjirofo, ny alin’ny akakamisy 18 jona hifoha ny zoma 19 jona lasa teo.  22 juin 2020

Tokantrano iray no nisy nandondona tamin’ny alin’io alakamisy 18 jona io tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Tanàna azo lazaina fa milamina ny ao amin’ny Kaominina Vohipeno ka tsy nisalasala nanokatra varavarana ilay raim-pianakaviana tao amin’ilay trano antsoina hoe Théophile. Notsenain’ilay lehilahy nandondona tamina vely fanoto avy hatrany ilay raim-pianakavana avy tao an-trano vantany vao nanokatra vavahady, ka voa tamin’ny loha ka namoy ny ainy avy hatrany. 

Raikitra noho izany ny antso vonjy. Nifanenjehan’ny fokonolona ilay nahavanon-doza ka sarona soa aman-tsara. Tsy namelan’ny fokonolona anefa raha tsy tapitra ny ainy. Raha ny angom-baovao, dia mbola tsy fantatra mazava hatreto ny anton’ny tena nahatonga ilay lehilahy namono nahafaty an’i Théophile. Fantatra kosa fa tsy dia salama saina anefa ilay namono azy. Faty roa araka izany no nitsitra tao Vohipeno.
Niantsoana zandary avy tao Fenoarivo-Atsinanana tampon-tanàna ny raharaha. Zandary miisa telo no tonga tany an-toerana. Ireto zandary ireto izay nolazain’ny fianakavian’i Théophile fa nangata-bola 4 tapitrisa Ariary raha tsy izany dia nambaran’izy ireo fa ho sarotra ny raharaha.

Tsy niala tany Vohipeno mihitsy ireto zandary ireto raha tsy nahazo «  avance  » 1 000 000 Ariary tamin’ilay vola 4 tapitrisa Ariary nangatahina. Noho ny tahotra no voalaza fa nahatonga azy ireo nandoa ilay vola. Nifanarahana fa anio alatsinainy 22 jona no manome ny ambiny 3 tapitrisa Ariary ny fianakavian’i Théophile.

Rehefa nantsoin’ny mpanao gazety nanontaniana io momba ny zava-misy tao Vohipeno io, dia nilaza hanokatra fanadihadiana ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Analanjirofo, Kolonely Andriamambasoa Rindraniaina. Ity farany izay nanipika fa fandikan-dalàna sy tsy fanajana ny fitsipika mifehy ny asan’ny zandary sady kolikoly tanteraka izany fakàna vola izany. Vonona hijoro vavolombelona tamin’izao fakana vola izao rahateo ny fianakavian’i Théophile sy ny fokonolona ao Vohipeno. Ho hita eo arak’izany no ho tohin’ny raharaha.

IVT

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés