Webradio

TETIKASA PADEV VATSIAN’NY AFD VOLA : Efa vita ny 36 isan-jaton’ny asa ao Fianarantsoa

Mitohy ny tetikasa fanatanterahana ny tetikasa PADEV na eo aza ny fihibohana. Ho an’i Fianarantsoa sy ny Faritra Matsiatra Ambony manokana efa vita amin’izao fotoana izao ny 36 isan-jaton’ny tetikasa. 22 juin 2020

Isan’ireo tanàn-dehibe telo misitraka ny tetikasa PADEV (Programme d’Appui au Développement des Villes d’Equilibre) izay vatsian’ny AFD vola, ny tanànan’i Fianarantsoa sy ny Faritra Matsiatra Ambony. Fanavaozana fotodrafitrasa maro ao amin’ny tanàna taloha (Vieille Ville), fanajariana ny famatsian-drano hanondrahana fambolena, fanatsarana ny tsenan’Anjoma, Lac Anosy, zaridainan’ny Lapan’ny Tanàna, fanarenana ny tetezana sy asa maro hafa no hotanterahina ao anatin’ity tetikasa ity. 

Ho fanafainganana ny asa dia nidina ifotony nijery ny fandroson’ny tetikasa tany an-toerana ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo sy ireo teknisiana mpiara-miasa aminy niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny masoivohon’i Frantsa, ny Talen’ny AFD eto Madagasikara, ny tompon’andraikitry ny orin’asa mpanatanteraka ny asa notronin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany any an-toerana.

Lehibe sy mahenika sehatra maro ity tetikasa ity, raha ny fanazavan’ny Minisitra Hajo Andrianainarivelo. Ezahina, hoy izy, ny hitohizan’ny asa sy ny fanafainganana izany na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana misy eto amin’ny Firenena. Nambarany koa fa ao anatin’ny fanajana ireo fepetra hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus no hanaovana ny asa hitandroana hatrany ny fahasalaman’ny mpiasa rehetra. "Tetikasa goavana ity tetikasa ity ary ho fanatsarana ny tanàna sy hampiroboroboana ny fizahantany, ohatra tsara azo alain-tahaka eo am fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy Frantsa izao", hoy ny Masoivohon’i Frantsa raha nijery ny fizotry ny asa teny an-toerana.

Nanambara kosa ny Minisitra fa "efa eo ny mpamatsy vola manohana antsika fa miezaka ihany koa mampiasa izay eo am-pelatanany ny Fanjakana amin’ny fanatanterahana ny fampandrosoana sy vina rehetra napetraka".

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés