Webradio

FITANTANANA NY FANANANTANY : Hasiam-panavaozana ny fahazoana sarin-tany avy amin’ny zanabolana

Isan’ireo sehatra aharaisana fitarainana betsaka indrindra eny amin’ny Fitsarana ny ady tany eto Madagasikara. Saika ahitana fifanolanana mahakasika io avokoa ny birao ifoton’ny fananan-tany manerana ny Nosy.  22 juin 2020

Araka ny fantatra, antony mahatonga izay ny tsy fahampian’ny fitaovana ampiasaina eto amintsika.

 Ho fanatsarana ny fitantanana ny fananan-tany eto Madagasikara indrindra dia notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny fivoriana niarahan’ny ekipa notarihin’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP) tamin’ireo solontenan’ny USAID amin’ny fanombohana fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta momba ny fahazoana sarin-tany avy amin’ny zanabolana ho an’i Madagasikara. Miara-miombon’antoka sy manao tantsoroka amin’ny fanampiana an’i Madagasikara hahazo io sarin-tany io koa ny Banky iraisam-pirenena.
Dingana lehibe amin’ny fanatsaràna ny fitantanana ny fananan-tany eto Madagasikara ny fanavaozana ireo sarin-tany ireo, raha ny fanazavana. Araka ny fantatra mantsy, efa tamin’ny taona 1949 no farany nananantsika izany manerana ny Nosy ary tsy nisy fanavaozana firy izany hatramin’izao. Sahirana, araka izany, ireo mpikirakira ny lafin’ny fananan-tany satria efa betsaka ny fiovana nisy.

Ny tombontsoa voalohany azo amin’izao fanavaozana izao koa dia ny fialana amin’ny fifanitsahana eo amin’ireo faritry ny tany ka hampihena ny resaka adin-tany. Hanampy amin’ny fanafainganana ny fikarakarana ny taratasin-tany ihany ny fahazoan’i Madagasikara ireo sarintany vaovao avy amin’ny zanabolana ireo. Nanantitra ny teo anivon’ny Minisitera fa tsy maintsy hatao izao fanavaozana izao hisorohana ny olana mateti-pitranga eny anivon’ny Fitsarana.

Marihina fa tsy eo amin’ny sehatry ny fananan-tany ihany no ilana ny sary avy amin’ny zanabolana fa azo ampiasana izany koa ny fampandriana fahalemana sy ny fiarovana ny sisin-tanin’i Madagasikara tsy ho tongan’ny mpanani-bohitra sy ny mpifindra monina an-tsokosoko. Ny Firenen-dehibe tahaka an’i Etazonia, Sina, Rosia sy ireo maro hafa dia efa saika mampiasa io fitaovana io avokoa.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés