Webradio

FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA : Hitsinjo ny daholobe i Maître Johnny ao Mahitsy

Nampientana ny hambompom-pirenena tokoa ny fahaiza-mitarika nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny fanomezana lanja ny haren-tsaina malagasy. Mivoaka tsikelikely ankehitriny ny fahaizana niafina tany anivon’ny fiarahamonina ary mety ho fanoitra amin’ny fampandrosoana amin’ny lafiny maro. 22 juin 2020

Nampahafantatra ny voka-pikarohany teo amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana tao amin’ny trano fiasany tao akaikin’ny tranompokonolona Mahitsy i Maître Johnny, omaly. «  Karazam-panafody lovan-drazana maro no efa nampiasaina nandritra ny 30 taona mahery nanaovako ity asa ity saingy nataoko niavaka tamin’ny maro ity fitsaboana aretina sunisite ity noho ny filan’ny besinimaro azy amin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka toy izao  », araka ny fanambaràny. Nampahafantariny fa raokandro fampiasan’ny razambeny ihany izy ity vao nohatsarainy hifanaraka amin’ny toetr’andro. 

Nisaorany manokana ny Filoham-pirenena ny tari-dalana nataony tamin’ny fanomezana hasiny ny fahaiza-manaon’ny mpikaroka Malagasy eto an-toerana tamin’ny fanehoana ny Cvo izay nitarika fahasahiana ho an’ny mpisehatra rehetra, hampahafantatra ny zava-bitany. «  Hambom-po atolotro ho an’ny vahoaka amin’izao fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena izao no tombondahiny manokana amin’ny fampihenana ny saram-pizahana sy ny saram-panafody manomboka androany 22 jona ka hatramin’ny 28 jolay izao hisian’ny fahasalaman’ny daholobe  », hoy i Maître Johnny, tamin’ny sabotsy teo.

Mampiasa ny fomba fitsaboana ampitain-davitra ity manam-pahaizana ity ho fanalana fahasahiranana ny marary. Voatery manatona eny Mahitsy kosa ireo marary tsaboiny avy any ivelany hatramin’izay anefa, hoy izy, satria  tsy mbola manana fahazoan-dalana haondrana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny raokandro vokariny.

Makoalahy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés