Webradio

LOHOLONA : Nodimandry ny Senatera Ravololonirina Emilie, vadin’i Jean Max Rakotomamonjy

Nodimandry afak’omaly teo amin’ny faha-60 taonany ny Senatera Razafindratovo Ravololonirina Emilie, vadin’i Jean Max Rakotomamonjy, filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha.  24 juin 2020

Izy izay anisan’ireo vehivavy miisa 12 nandrafitra ny Antenimierandoholona. Tamin’ny 17 jona 1960 no teraka tany Toamasina izy, Loholon’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Faritanin’Antsiranana tamin’ny anaran’ny antoko Leader Fanilo. Namela kamboty roa ny tenany izao nindaosin’ny fahafatesana izao. 

Omaly hariva no niala teto Antananarivo ny nofo mangatsiakany rehefa avy nampandalovina farany tetsy amin’ny lapan’ny Antenimieran-doholona Anosikely. Anio no fantatra fa hantanterahana ny fandevenana any Andevoranto Brickaville, toerana misy ny fasan-drazany. Izahay eto amin’ny Gazety Ino Vaovao Faritra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés