Webradio

FIHAONAN’NY PRAIMINISITRA SY NY LOHOLONA : Hentitra ny famongorana ireo tsy matimanota

Fanetribe ho an’ny Firenena ny fisian’ireo tsy matimanota. «  Tsy azo ekena intsony izany  », hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian.  24 juin 2020

Laharam-pahamehana apetraky ny Fanjakana ny amin’ny kolikoly sy ny tsy fijerena tavan’olona ho an’izay mbola minia manao izany.

Tanteraka omaly tetsy amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona Anosy ny fihaonana mivantana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo Loholon’i Madagasikara. Fotoana izay didian’ny lalàna fa hanaovana tatitra amin’ireo asa vitan’ny fahefana mpanatanteraka. Teboka miisa efatra no nifotoran’ ny tatitra nataon’ ny Praiminisitra tamin’izany. Noresahiny ny mikasika ny lafiny fitantanana. Isan’ny nisongadina tamin’ izany ny ady amin’ ny tsy matimanota sy ny fametrahana ny mangarahara ary ny fanomezan-danja ny Faritra. 
Raha tsiahivina dia tamin’ny talata 2 jona lasa teo no efa nandalo tsirairay teo anatrehan’ireo Loholona ireo mpikambana ao amin’ ny Governemanta. Omaly no nitondra fanazavana misimisy ary niezaka nandravona an’ireo dingam-pampandrosoana efa vita ny Praiminisitra sy namariparitra ny fandaharan’asa hotanterahina amin’ ity taona 2020 ity.

Voatsinjara ao anatin’ ny teboka efatra lehibe izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny Fanjakana tsara tantana sy mangarahara. “Ny ady amin’ny kolikoly dia natao laharam-pahamehana hatrany. Niezaka ny Governemanta nampiseho fa tsy tokony hoekena intsony ny tsy matimanota”, hoy ny Praiminisitra tao anatin’ny lahateniny. Notsindriany ihany koa fa “ny fandrindrana ny asam-panjakana rehetra dia natao tao anatin’ny mangarahara tamin’ny alalan’ny fametrahana sy fanaraha-maso ny fampiasana ny fototra tsy miova na “standards de service” eo anivon’ny sampan-draharahan’ny asam-panjakana rehetra, ka nampiharina tokoa ny lalàna mikasika ireo olona izay nahiana ho nanao kolikoly ary hita fa efa nihena izany eny amin’ireny sampan-draharaham-panjakana ireny na dia mbola betsaka aza ny ezaka tokony hatao ”.

Mitovy ny fitantanana ny Faritra

Tafiditra tao anatin’ny tatitra nataon’ny Praiminisitra ihany koa ny fanomezan-danja ny fampandrosoana isam-paritra. Efa nisy ny famatsiana vola mitentina 1 miliara Ariary isam-paritra tamin’ny taona 2019 ka nahafahana nanomboka fotodrafitrasa maro toy ny lalana, ny tetezana, ny tsena, ny biraom-panjakana tany amin’ny Faritra efa nisy Governora. Ny vola ho an’ny Faritra izay mbola tsy nisy Governora kosa dia efa nalefa manontolo any amin’ireny Faritra ireny eo am-piandrasana ny fanendrena azy ireo. 

“Mitovy lanja ny vola natokana ho an’ny Faritra rehetra . Amin’ity taona 2020 ity, ankoatra ny vola mitentina 2 miliara ariary isam-paritra hatolotry ny Fitondram-panjakana ho fanatanterahana fotodrafitrasa mifandraika amin’ireo filàna eny ifotony toy ny lalana, dia hovatsiana fitaovana enti-manamboatra lalana koa izy ireo tsirairay avy, toy ny bulldozer, Compacteur, Niveleuse, Camion arroseur”, araka ny fanazavany hatrany.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés