Webradio

KIANJA MASOANDRO : Izao vao taitra ny taranak’Andriana sy ireo fikambanana 12 ?

Manana anjara andraikitra lehibe eo anivon’ny Firenena ny Tafika Malagasy, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. 24 juin 2020

Foto-kevitra efa nijoroany hatramin’izay ny hifanakaiky hatrany amin’ny vahoaka. Vao mainka nohamafisin’izy ireo izany tamin’ny alalan’ny fanovana noentina teo anivon’ny Tafika Malagasy.

Taiza ireo taranak’Andriana sy ireto Fikambanana 12 ireto tamin’ny famongarana ireo taolambalon’ny mpanjaka ka nafindran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana toerana  ? Ity farany izay tena nanao fanimbazimbana tanteraka ny hasin’ny vakoka Malagasy. Taiza izy ireo tamin’ny fotoana niantsoan’ny Minisitera fifampiresahana momba ny fanarenana ny Rovan’ Antananarivo  ? Maninona no izao vao taitra ary milaza fa tsy mety ny fananganana ny Kianja Masoandro ?

Nanohitra hatramin’ny farany an’ilay tetikasan’ny Fitondram-panjakana ny hanangana «  kianja Masoandro  » ao anatin’ny rovan’Antananarivo ireo mitonona ho taranak’Andriana. Misy Fikambanana 12 miara-dia amin’izy ireo. Anisan’izany ny Saff Fjkm, ny Ing Hitsy, ny OAM, ny FMI Malagasy sy ny maro hafa. Ireto farany izay nitory ny Fanjakana Malagasy teny anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana etsy Anosy, afak’omaly. Nolazain’ny mpisolovava azy ireo tamin’izany fa tsy misy taratasy fahazoan-dalana ny fanorenana an’io kianja io. Tsy ara-dalàna ihany koa, hoy izy, ny fananganana ilay kaomity siantifika izay natao hiandraikitra ny fananganana ity fotodrafitrasa ity. Anisany nohizingizininy fa tsy azo atao ny mikitika ny vakoka amin’ny endriny teo aloha. Fa taiza izany hatramin’izay ireto mitonona ho taranak’andriana ireto  ? Maninona izao vao mikoropaka manao an’izao fanehoan-kevitra izao izy ireo  ?

Efa nisy antso avo

Raha tsiahivina anefa nialoha ny nanamboarana ny rovan’Antananarivo dia efa nisy ny antso avo nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny Kolontsaina ho an’ireo izay manana soso-kevitra amin’ny hanarenana indray ity vakoka Malagasy ity. Taiza ireo taranak’ andriana no tsy hita naneho hevitra tamin’izany  ? Maninona raha tamin’izany fotoana dia efa nanambara fa tsy mety ny hikitihana ny rova. Ankoatra izay, tsy vao sambany no nisy mpitondra nikitika ny ati-rova tahaka izao.

Ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc aza dia sahy namongatra ny taolambalon’ireo mpanjaka nilevina tao Manjakamiadana. Tsy izany ve no tena fanimbazimbana faratampony  ? Nambaran’ireo mpanara-maso akaiky ny raharaham-pirenena aza fa tamin’ny alalan’ny fiara no nitaomana an’ireo taolambalo nafindra teny Ambohidratrimo. Tsy nisy nandrenesam-peo anefa ireo milaza ho taranak’ andriana tamin’izany. Raha ny tokony ho izy ve tsy izany fihetsika izany no tokony hampiaka-peo satria ny Malagasy dia fatra-panaja ny razana ary fanampin’izay mbola taolambalon’ireo mpanjaka  ?

Mahagaga ny zava-misy ankehitriny, lasa resabe ilay “Kianja masoandro” izay sokajiana ho maivan-danja raha miohatra an’itsy famongarana taolambalo itsy. Tsy azo ihodivirana fa misy ambadika politika ao anatin’ity fanoherana ny fananganana ny «  Kianja Masoandro  » ity, rehefa tsy nahita hirika hanakianana ny tetikasa «  Tanamasoandro  » intsony ireo mpanohitra sy ny mpiara-dia aminy dia any amin’ny vakoka indray no manangam-bozona.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés