Webradio

TONTOLON’NY KABARY - TAHIRISOA JUSTIN : “Hanandratra ny soatoavina malagasy ny tanjona”

Mbola ao anatin’ny volana Jona ankalazana ny “iray volan’ny teny malagasy” isika amin’izao fotoana izao. 24 juin 2020

Isan’ireo azo anandratana izay teny malagasy izay ny kabary satria tsy voafehin-tsisin-tany intsony izany ankehitriny fa efa mielipatrana hatrany ivelany.
Ho an’ny eto an-toerana manokana, maro ny mbola mandalina sy mitrandraka azy ity. Misy koa anefa ireo azo ambara ho “nandova” satria efa nisy nialoha lalana azy ny fianakaviana. Azo lazaina ho “nandova” i Tahirisoa Justin araka izao resaka nifanaovana taminy izao.

“Tarana-boanjo foto-boanemba”… nanohy ny lalan’ny raiko eo amin’ny tontolon’ny kabary aho”, hoy ny filazany. Ny fankafizana ny zavatra vitan’ny dadany teo amin’ ity literatiora am-bava ity no nandrisika azy hilona sy handalina kabary, taty aoriana. «  Nanaraka azy matetika aho tamin’izany fotoana . Nahaliana ahy ny zavatra nataony ka izany no anisany nanentana ahy hianatra ity zavakanto ity”, araka ny filazany. Efa an-taonany maro nikabariana Randriatahirisoa Justin, izay anarana nampisaloran’ny ray aman-dreniny azy fa i Tahirisoa Andria na Tahirisoa Justin kosa no fahalalan’ny olona ny tenany eo amin’ny maha mpikabary azy. Nivoaka tao amin’ny Fimpima Antsirabe Sampana Vonimpikadia azy. 

Marihina fa mpampiofana kabary taniketsa ao amin’ny sampana Vonimpikadia, Faritany Fimpima Antsirabe ny tenany, ankehitriny ary miandrakitra ny gazety Akompika ao amin’io sampana io ihany, gazety izay natao hifampizaran’ny samy Vonimpikadia (VOndron’NY MPIkabarin’ny DIAnteny.) “Ny fahitako ny kabary ankehitriny dia toy ny volan-tsinana miroso ho fenomanana izany hoe efa miha miroborobo, na dia maro aza mantsy no voasinton’ny fanatontoloana dia tsy vitsy ireo efa manomboka liana amin’ny kabary, porofon’izany ny mpiofana kabary maherin’ny 1 000 isan-taona mivoaka eran’i Gasikara”, hoy Tahirisoa justin, nanazava ny fahitany ny kabary ankehitriny.

“Tanjoko ny hampisondrotra avo ny soatoavina sy ny fahendrena navelan’ny razana mba hametraka ny toerany amin’ny maha izy azy. Hiezaka hatrany aho hanao izay tratry ny heriko mba ho anjara biriky amin’ny fanandratana ny kolontsaina malagasy na dia ho pitik’afo kely fotsiny aza no vitako”. Afaka mifandray amin’ny izay te-hifanerasera aminy  ny mpisehatra rehetra mikasika ny kolontsaina malagasy na ireo izay liana amin’ny resaka kabary. Manana  pejy manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera  “facebook” koa i Tahirisoa Justin, izay mitondra ny anarana “ Tahirisoa Andria Mpikabary Mpanoratra”

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés