Webradio

ANTANINANDRO : Mangataka ny hijerevan’ny Filoham-pirenena ny raharaha ireo mpandova

Mihenjan-droa ny tady  eo amin’ireo mpiara-monina mikasika ny fampiasana ny lalan-kely sy ny tokotany fametrahana fiara ao amin’ny toeram-ponenana iray iombonana, eny Antaninandro eto an-drenivohitra, amin’izao  fotoana  izao.  24 juin 2020

 Tonga hatramin’ny fiantsoan’ireo fianakavian’ny  mpandova ao an-toerana ny hijerevan’ny Filoham-pirenena Andry  Nirina  Rajoelina  manokana ny raharaha noho ny tsy fahatokisan’izy ireo ny fihetsika mampiahiahy  mety ho nataon’ilay mpividy tany amin’ny Fitsarana, ka nahatonga an’ity farany ho nahazo rariny  : «  Tamin’ny fomba ahoana nahafahan’ilay olona mifanandrina aminay namadika ny raharaha ho ady maika na ” tribunal de référé” kanefa tsy tokony ho izany ny fandehany ? Aminay, efa vita kajikajy avokoa ny tetikady nataony satria toa mahagaga fa nifanandrify tamin’ny fotoana tsy nahateo ny mpitsara ny fanohanana ny didim-pitsarana nalefanay vao haingana  ». 

Raha tsiahivina vetivety dia fianakaviana anankiroa mpandova ny tanàna izay efa mitoetra ao an-toerana hatry ny ela no mifanolana amin’ity olona mpividy iray izay nahazo ny trano misy rihana iray ao amin’ity faritra ity efa ho herintaona izay. Mpandova fahatelo moa no nivarotra izany taminy, raha  ny  fanazavana  voaray  hatrany. Ity mpividy taty aoriana moa dia nolazain’ireo mpandova fa dia nanao fandrahonana mihitsy tamin’izy ireo fa tsy maintsy ho tafidiny ao an-tanàna ireo fiarany.

«  Nilaza ilay mpifanandrina aminay fa hoe mbola tsy mahalala azy izahay satria dia tsy maintsy tafidiny ao an-tanàna ireo fiarany. Mbola fandrahonana  hafa nataony koa ny hampiakarany ny raharaha ho ady heloka bevava raha toa izahay ka handà tsy hampihatra ny didim-pitsarana tamin’ny faha 03 jona lasa teo  », hoy ny mpitondra tenin’ireto mpitaraina nanazava. Ho an’ireo mpandova ao ankehitriny izay efa monina tao hatry ny ela, ka mitondra ny fitarainana teto anoloanay mantsy dia tsy ara-drariny ny hampiasan’ity olona vao nividy ny trano ny lalan-kely sy ny tokotany iombonana hampidirany ny fiarany raha araka ny drafitra sy ny kisary ara-panjakana namaritana, ary maneho ny anjara toeran’ireo mpandova tsirairay hatramin’ny voalohany.

Koa satria nihenjan-droa izany ny tady teo amin’ny roa tonta dia voatery nampiakarina Fitsarana ny raharaha tamin’ny faha  03 jona lasa teo. Nandresy anefa ity mpividy izay  voalaza ho  manao  tsindry  hazo  lena  ny  fananana  iombonana. Ny alatsinainy  faha  22 jona  lasa teo dia tonga nanatanteraka ny didim-pitsarana na ny Grosse niaraka tamin’ny mpitandro filaminana miisa 4 sy ny vadintany ity mpividy. Midika izany fa azon’ity farany ihany izany ny lalan-kely miditra ao an-tanàna sy ny tokotany.

Mandra-piandry izay mety ho tohin’ny fanohanana nataon’izy ireo ary dia mitodika amin’ny mpitondra ambony ireto  farany hanampy azy ireto satria manahy ho mamofompofona fisiana tsindry samihafa tany ambadimbadika tany mba nandresen’ilay mpividy  mibodo ny  lalan-kely  iombonana ity.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés