Webradio

FAMPIAKARANA FAKTIORAN’NY JIRAMA : Fanahiniana natao, mpiasa 50 atao famotorana

Maro ny fitarainan’ny mpanjifan’ny Jiro sy Rano Malagasy tao anatin’ny volana maromaro teto an-drenivohitra na teo amin’ny tambajotran-tserasera “ fb” izany na koa tamin’ny haino aman-jery, mikasika ny fidangan’ny faktiora tsy amin’ny ara-drariny.  24 juin 2020

Taorian’ny fitarainan’ny mpanjifa maro teto Antananarivo momba ny fiakaran’ny faktiora dia niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny teo anivon’ny Jirama. Voaporofo tamin’izay fotoana izay tokoa ny fahadisoana teo amin’ny “index” ary ny ankamaroan’ireo hadisoana dia fanahiniana natao daholo. Hatreto, mpiasan’ny Jirama 50 isa no heverina fa voarohirohy ao anatin’izao toe-javatra izao. Naka fepetra vonjimaika mikasika ny 15 amin’ireo 50 ireo ny Jirama, ka anisan’izany ny tale miisa roa. 

Efa nanao ary manohy hatrany ny ezaka amin’ny fifandraisana an-tsoratra na an-telefaonina amin’ireo mpanjifa voakasik’ireo fahadisoana ireo ny eo anivon’ny Jirama. Izany fifandraisana izany no ahazoana mandalina ny olana eo amin’ny faktiora sy manao ny fanitsiana izay tokony hatao. Mpanjifa maro no efa nantsoina sy nanatona ny Jirama ary efa nahitana vahaolana avokoa. Raha ny tatitra avy eo anivon’ity orinasa ity, hamafisina rahateo koa ny fifandraisana sy fifanakalozana amin’ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa hahafahan’ny orinasa mitondra fanazavana amin’ny antsipiriany sy hijerena miaraka ny fepetra fanampiny hamahana ny olan’ireo mpanjifa niharan’ny fiakaran’ny faktiora mihoa-pampana ireo.

 Marihina fa matetika ahazoana fitarainana avy amin’ny mpanjifa hatrany ny fomba fiasan’ireto farany, indrindra moa ny lafin’ny kalitao toy ny fahatapahan-drano sy jiro mateti-piavy sy maharitra ora maro izay mahatonga fahatezerana, manampy trotraka ny halatra atao amin’ny fampiakarana ny faktiora. Arahina akaiky ny tohin’ny famotorana momba ity raharaha ity.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés