Webradio

VALANARETINA “CORONAVIRUS” : Nisy tranga vaovao 83 indray voamarina teto Antananarivo

Olona vaovao miisa 83 no indray voamarina taorian’ny fitiliana natao fa tratran’ny tsimokaretina “Coronavirus” eto Antananarivo. Fantatra io tamin’ny antontan’isa ofisialy nivoaka teo anivon’ny Cco Ivato, omaly antoandro. 24 juin 2020

Ity ny antontan’isa ambony indrindra ho an’Antananarivo hatramin’izay nisian’ny valanaretina teto Madagasikara.  Niisa 84 ireo tranga vaovao voamarina ka ny 83 tamin’ireo dia teto Antananarivo avokoa raha tany Toamasina kosa ny iray. Midika izany fa mihanaka tanteraka eto an-drenivohitra ity valanaretina ity.  Tato anatin’ny herinandro izay dia mihamiakatra ireo olona tratran’ny tsimokaretina eto Antananarivo, mitombo isan’andro ireo vaovao voatily  fa tratran’ny covid-19.

Heverina ho anisany mahatonga izany ny tsy fanajana araka ny tokony ho izy ireo fepetra ara-pahasalamana napetraky ny Fitondram-panjakana. Tsikarika mantsy ny gaboraraka misy eny anivon’ireo fiara fitateram-bahoaka sy ny toerana tena be olona toy ny tsena sy ny toby fiantsonan’ny fiara. Raha ny antontan’isan’ireo sitrana kosa dia nitontaly 40 izy ireo, omaly. Ny 23 tamin’ireo dia avy any Toamasina, ny roa tany Taolagnaro, ny iray tany Fianarantsoa ary ny 14 teto Antananarivo.

Raha tany Toamasina no tena foibe nisy ireo marary betsaka teo aloha dia miverina eto Antananarivo indray izany amin’izao fotoana izao.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés