Webradio

ADY AMIN’NY COVID-19 : Olona miisa 75 voasazy teny Ambohitrimanjaka sy Andoharanofotsy

Nohamafisin’ny mpitandro filaminana mandrakariva moa amin’izao vanim-potoanan’ny krizy ara-pahasalamana izao, fa tsy tokony ho izy ireo mihitsy no atahorana fa ny handresena ny aretina coronavirus.  30 juin 2020

Noho izany dia tokony samy handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay. Ny mahagaga anefa dia misy ihany ireo olona minia tsy manaraka ny fepetra sy lamina tokony harahina. Mihatra avy hatrany, araka izany, ny fanasaziana, raha ny fanazavana voaray satria efa tapitra ny fotoana fanentanana sy fampitandremana. Hatreto aloha dia mbola asa fanadiovana iarahana ho soa ho an’ny daholobe (TIG) no sazy omena saingy ho henjana kokoa izany arakaraka ny tranga misy noho ny fitomboan’ny isan’ireo marary eto Antananarivo renivohitra.

Omaly alatsinainy, olona miisa 75 ireo tratran’ny Zandary nandika ny fepetra iadiana amin’ny coronavirus nandritra ny tapak’andro maraina teny Ambohitri manjaka sy Andoharanofotsy iny. Mitsinjara toy izao  : 34 tsy nitondra aron-tava mihitsy, 29 nitondra aron-tava saingy tsy nisalotra izany fa natao tany am-paosy, 8 nanao taingimbe tao anaty fiara kely tsy nanaraka ny elenelana iray metatra, iray nitondra cache-nez saingy natao tam-bozonana fotsiny, 2 nitondra moto sady tsy nanao aron-tava no tsy nanao aroloha. Tonga dia nihatra ny sazy ho an’ireto tsy nanara-dalàna ary nampitandrina ny rehetra hatrany moa ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa ho mafimafy kokoa ny sazy miandry ireo tsy miraharaha ny lalàna apetraka.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés