Webradio

TSY FANARAHAN-DALANA/COVID 19 : Mpamily sy resevera 58 naiditra “violon”, taksibe 28 nogiazana

Omaly alatsinainy hatramin’ny 09 ora maraina teo, fiara taksibe miisa 28 be izao no tratran’ny Polisy tsy nanara-dalàna manoloana ny firongatr’ilay valanaretina covid-19 teto an-drenivohitra. 30 juin 2020

Anisany tena atahorana mafy ny any anaty fitateram-bahoaka ireny, satria ao no tena ahitana tsy fanarahan-dalàna maro noho ny mety hisian’ny fitangoronana, toy ny fanaovana taingim-be. Io omaly io, misy tamin’ireo fiara ireo no tratra mampiasa ireny "seza volamena" ireny, ao koa ny mitondra mpandeha tsy manao aron-tava, indrindra moa fa ny tsy fampiasana “gel disinfectant”. 

Naiditra am-balam-pamonjana na nogiazana avy hatrany ireo fiara taksibe nahitana ireo tranga voalaza ireo. Ireo mpamily sy ny mpanampy azy nampidirina “violon” izay miisa 58 teo.

Nampahafantarina ny rehetra teto fa tsy ny mpandeha an-tongotra irery ihany akory no mahazo sazy fa hatramin’ireo fiara iombonana. Arahi-maso akaiky mihitsy aza satria izy ireo no mpitatitra vahoaka izay tena manamora ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19. Manamafy mandrakariva moa ny eo anivon’ny Polisim-pirenena fa tokony ho samy tompon’andraikitra ary hiaro ny tenany mba ho fiarovana ny hafa ihany koa ny olom-pirenena rehetra.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés