Webradio

FARITANIN’I MAHAJANGA : Zaza 15 volana sy olon-dehibe roa indray voan’ny Covid-19

Tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny dia fantatra fa olona telo no voan’ny covid-19 eto Mahajanga ankoatra ireo mpamita iraka roa izay efa nody any Antananarivo sy ireo olona miisa telo fantatra farany teo.  30 juin 2020

Ny iray dia zazakely 15 volana monina ao amin’ny fokontany Tsaramandroso ambony. Tsy salama io zaza io ary nentin’ny reniny tany amin’ny tobim-pahasalamana tao Mahabibo, ao amin’ny Centre de surveillance biologique de référence (CSBR) izay manara-maso ny aretina toy ny tazo  sy arboviroses. Ny mpitsabo tao amin’ity tobim-pahasalamana ity izay efa miara-miasa amin’ny IPM any Antananarivo no nanao fitiliana, ka rehefa nivaly dia voalaza fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 ilay zaza.

Fitiliana miisa 24 no nalefa ka roa no nivaly ho nahitana ny tranga. Ny iray tamin’izy ireo dia lehilahy avy any amin’ny distrika nitsabo tena teto Mahajanga. Natao fitiliana amin’ny covid-19 koa izy ka rehefa nivaly dia “positif”. Efa nalefa hotsaboina any Antananarivo avy hatrany moa izy. Ny faharoa kosa dia fianakavian’ny olona iray izay efa voa sy notazomina ao amin’ny hopitaly manara-penitra. Marihina moa fa tsy misy soritr’aretina ny ankamaroan’ireo olona voan’ny covid-19 eto Mahajanga. Amin’ireo telo mitondra ny otrikaretina 10 andro lasa izay dia fantatra tamin’ny fitiliana haingana TDR fa efa sitrana ny iray, dia ilay ramatoa 57 taona saingy miandry ny fitiliana lalindalina kokoa hahafahana mamantatra na efa sitrana tanteraka na tsia. Efa mandray andraikitra tanteraka ireo mpitsabo fa ny tsy fahampian’ny fitaovana no tsy ahafahan’izy ireo manao mihoatra…

Manentana ny rehetra mba handray andraikitra amin’ny fiarovana ny fahasalamany ny tompon’andraiki-panjakana sy ny tompon’andraikitry ny fahasalamana, ka ao anatin’izany ny fanajana ireo fepetra rehetra efa napetraka dia ny ‘fihetsika sakana’ sy fifanalavirana. Midika izany fa efa miparitaka eto Mahajanga ity aretina covid-19 ity, ka ilaina ny manaraka ny fepetra rehetra… Tsy ny mpitandro filaminana no tokony hatahorana fa tokony ho samy tonga saina amin’ny fiarovana ny tenany ny tsirairay.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés