Webradio

FITSARANA SY FANDRAHARAHANA NY FONJA : “Hamafisina ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly”

Sehatra anisany nalaza ho be kolikoly indrindra ny Fitsarana. Tafiditra ao anatin’izany ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja.  30 juin 2020

Tamin’ny tatitra nifandimby navoakan’ireo mpanao fanadihadiana momba ny tahan’ny kolikoly eto Madagasikara dia saika ao anatin’ny lisitra hatrany ny Fitsarana. 
Efa misy ny ezaka atao hanafoanana izany, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, ary izany ezaka izany dia miainga indrindra ihany koa amin’ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena. 

Nambarany fa ao anatin’ireo velirano nataon’ny Filoham-pirenena ny handresena ny kolikoly amin’ny endriny rehetra. Anisany mametraka ho laharam-pahamehana izany ny eo anivon’ny Fitsarana mba hanatrarana an’io tanjona napetraky ny Filoha io. Na dia ao anatin’ny fahasarotana aza, hoy izy, ary na dia misy aza ireo olon’ny Fitsarana mitsivalampandry dia tsy hatao ho sakana amin’ny fametrahana ny mangarahara eo amin’ny tontolon’ny asam-pitsarana eto Madagasikara izany. «  Ny marina ary ny azoko antoka fa amin’ny ankapobeny ary ny ankamaroany dia efa miezaka ny aty amin’ny Fitsarana miady amin’izany kolikoly izany. Efa miezaka ny eo anivon’ny fandraharahana ny fonja ary na dia teo aza ny fahasahiranana tao anatin’izay dimy volana izay, vokatry ny ahiahy sasantsasany noho ny faharatsian’ny fitantanana, toy ny nitranga tany Manakara, tany Moramanga. 

Na dia maro aza izy ireo dia vitsy tao anatin’ny zava-misy ary izay ezaka nahatonga azy ireo nihena izay no fampirisihana ataoko amintsika rehetra fa nisy ny ezaka hatao hiadiana amin’ny kolikoly ary miezaka manatsara indray ny asa sahanina ny Fitsarana”, izay raha fintinina ny fanehoan-kevitra noentin’ny Minisitry ny Fitsarana.
Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny tenany eo anivon’ny Fitsarana dia mampirisika an’ireo mpitsara sy ireo mpandraharahan’ny fonja ny tenany mba hanao ny asa am-pahamendrehana. Tanjona, hoy izy, ny hamerina indray ny fahatokisan’ny vahoaka ny Fitsarana. Nohamafisiny anefa fa tsy adidin’ireo mpitsara irery ihany fa miainga amin’ny olom-pirenena tsirairay, ary adidin’ny vahoaka iray manontolo ny ady atao amin’ny kolikoly. Miainga amin’ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay ny hahafoana tanteraka ny kolikoly eny anivon’ny Fitsarana. 

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés