Webradio

FEPETRA COVID-19 : Sekoly tsy miankina iray eny Ambatolampy Antehiroka tsy manara-dalàna

Velona ahiahy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny sekoly tsy miankina iray eny Ambatolampy Antehiroka fa efa ho tapa-bolana izao no niverina an-tsekoly ny zanak’izy ireo.  30 juin 2020

Tsy manomana fanadinana anefa ny zanany. «  Tena miahiahy fatratra izahay sao hahazo aretina any ny zanakay, na eny an-dalana na eny an-tokotanim-pianarana, tsy azonay antoka fa hahavita manaja ny elanelana iray metatra sy tsy hifampikasoka ny ankizy rehefa fakan-drivotra, na ny aron-tava aza mety hataon’izy ireo kilalao  », hoy ny renim-pianakaviana iray manan-janaka mianatra ao amin’ny T3.

Raha nanontaniana anefa izy ireo mikasika ny tsy maintsy andefasany ny zanany any an-tsekoly dia nilaza fa misy fanerena an-kolaka ataon’ny tompon’andraikitry ny sekoly  : «  Izay tsy te handefa ny zanany mianatra, hono, aleo tsy haharaka any ny zanany  », hoy koa  ny raim-pianakaviana iray manan-janaka mianatra ao amin’ny T2.
Nilaza ireo ray aman-dreny fa  raha ny sitrapon’izy ireo dia tsy halefany mianatra ny zanany, saingy matahotra izy sao izany no antony tsy hifindran’ny zanany kilasy raha toa ka tsy maharaka. Indroa isan-kerinandro ireto mpianatra ireto no mianatra ary manao lesona sy manao fampiasana.  Teo aloha teo anefa dia ny ray aman-dreny no asaina maka devoara any am-pianarana ary manatitra izany any rehefa vita, ka tokony haverina amin’izany ihany mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny zanakay.   Raha tsiahivina ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoham-pirenena, ny Alahady 14 Jona lasa teo dia mbola anisany Faritra mihiboka Antananarivo na dia nohalefahana aza ny fepetra mihatra eto Analamanga. 

Izay tsy maintsy miasa no afaka miasa hatramin’ny 5 ora hariva, ny kilasy manala fanadinana no tsy maintsy mianatra fa mbola miato kosa ireo kilasy hafa. Antso avo, araka izany, no ataon’ireto ray aman-dreny ireto ny mba hijerena akaiky izao tsy fanarahan-dalàna izao sao haningotra ny ain-janany. Maro amin’ny mpianatra ao amin’io sekoly io koa no mipetraka manodidina an’Ivato sy Talatamaty, izay toerana samy efa nahitana olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés