Webradio

ANALAKELY : Noentanina ny mponina sy mpivarotra, fonjaina 48 ora ireo minia mandoto tanàna

Ny faran’ny herinandro lasa teo, nanentana ireo mponina sy ireo mpivarotra manodidina an’Analakely eto an-drenivohitr’Antananarivo ho tia fahadiovana ny teo anivon’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka , tamin’ny alalan’ny Polisin’ny Boriborintany voalohany CSP1. 30 juin 2020

Marihina fa nialoha ny fanatanterahana ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena dia efa voadio, voaloko  sy nilamina avokoa ny toerana maromaro, eny fa hatramin’ny lalana itsahana aza dia  voakarakara tsara daholo. Mba hitohizan’izay fahadiovana izay noho izany dia noentanina ny olona, indrindra  moa fa ireo mpivarotra isan’andro eny mba hanadio ny toerana tandrify azy avy. Fantatra nandritra ny fifampiresahana noho izany fa  hozaraina kifafa sy baoritra izy ireo  amin’ity herinandro ity hanesorany ireo fako hoentina mody ary koa ireto farany ihany  no asaina miambina ny faritra rehetra manakaiky azy, manentana ireo mpiantsena mba tsy hanary fako etsy sy eroa. 

Araka ny  fanazavana voaray, raràna ny mivalan-drano  eny amoron-dalana na aiza na aiza io, manitsaka ireo faritra efa voaloko, mandrehoka sy mandrora eran’ ny lalana, manary fako eny rehetra eny. Ho an’ireo minia mandoto sy mandika ny lalàna napetraka kosa ka tratran’ny polisy na koa ny mponina, mpivarotra, avy hatrany  dia fonjaina mandritra ny 48 ora ao amin’ny Kaomisaria. Hatreto aloha dia manomboka eo amin’ny Le glacier ka hatreny Soarano no hiantefan’ny fanentanana voalohany  ka hitohy amin’ny Faritra maro eto an-drenivohitra izany ato ho ato. Tsapa nandritra ity fanentanana voalohany ity moa, hoy ny mpitandro  filaminana fa resy lahatra ireo mpivarotra ary vonona hanatanteraka ny fanatsarana manomboka izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés