Webradio

IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY : Nampahafantarina ny sabotsy teo ny valin’ny fifaninanana soratononina

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ny sabotsy 27 Jona 2020 lasa teo, ny fifaninanana soratononina  nokarakarain’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy eny Antsahavola.  30 juin 2020

Fifaninanana nentina nanamarihana ny iray volan’ny teny Malagasy, izay notontosaina ny 22 hatramin’ny 24 jona lasa teo. Nisy sokajy roa ny fifaninanana ka ny sokajy voalohany nahitana ny 14 taona hatramin’ny 17 taona, ny sokajy faharoa kosa nahitana ny 18 taona miakatra. Tovovavy 17 taona, Raivomanana Marie Noeline no nahazo ny laharana voalohany tamin’ireo latsaky ny 18 taona, Razakarivelo Finoana Miotisoa 14 taona no nahazo ny laharana faharoa, Toavinarivelo Faratiana Jordya 17 taona no nahazo ny laharana fahatelo, vehivavy avokoa izy ireo. 

Andriamahefa Haritiana 20 taona kosa no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny sokajy faharoa, Rajaonarison Nirina Herilala, vehivavy 28 taona no faharoa, Ratsimbazafy  Heriarilala Andriamamonjy 23 taona no faharoa mitovy ary Randrianariison Julienne Odile 52 taona no fahatelo.

«   Ny mamaky boky sy ny fidirana amin’ny fikambanana mivoy ny teny malagasy no tena ahaizana ny tenin-dreny », hoy i Raivomanana Marie Noeline, mpandresy tamin’ny sokajy 1. Ho an’ity farany manokana, nambarany fa tsy nisy ny fiomanana be hiatrehana izany fifaninanana izany satria tsy sarotra, hoy izy, ny teny malagasy, ny tenany rahateo efa mpamaky boky. 38 no isan’ny nisoratra anarana tamin’ity fifaninanana andiany faharoa ity, vehivavy 63 taona no zokiny indrindra tamin’ireo nandray anjara. Be no te hahafantatra ny fahaizany ny teny Malagasy, ka izay no nampisy ny mpandray anjara lehibe tamin’ity taona ity. «  Sokajy iray ihany no nisy tamin’ny herin-taona, natao ho an’ny ankizy ihany ny soratononina nokarakarainay fa noho ny fangatahan’ny maro dia nasiana sokajy lehibe tamin’ity taona ity », hoy i Raveloarimanana Sitrakiniaina, tompon’andraikitry ny hetsika ara-kolontsaina eo anivon’ny IKM.  

Mbola hitohy isan-taona kosa ny hetsika, hoy ny teo anivon’ny IKM Antsahavola. Ny IKM Antsahavola moa dia ivon-toerana mivoy ny kolontsaina Malagasy, araka ny nambaran’izy ireo dia fototra maha izy ny Firenena ny teny ka omen-danja. Efa fanaon’ity ivon-toerana ity isan-taona ny mikarakara fifaninanana momba ny kolontsaina sy manandratra ny teny Malagasy, saingy noho ny fisian’ny valanaretina covid-19 dia voafetra ihany ny fahafahan’izy ireo nanatanteraka izany.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés