Webradio

FETIN’NY FAHALEOVANTENA : Nizara kilalao ho an’ny zanaky ny mpanjifa rano ny “Teen’s Mada”

Nisitraka ireo tombontsoa sy fanampiana avy amin’ny fotodrafitrasa, izay tantanin’ny Teen’s Mada misy eo an-toerana ny kilongan’Ambohibary Antanimena amin’izao fetin’ny Fahaleovantena izao. 30 juin 2020

Nizara kilalao ho an’ny zanaky ny mpanjifa rano ao an-toerana ny fikambanana tenn’s Mada Ambohibary Antanimena ho fanamarihana ny Asaramanitra, ny 26 jona 2020 lasa teo.

Faly sy ravo ny mponina eny amin’ny sektora fahatelo, araka izany, satria hatramin’izay toa tsy mba nisy an’izany, raha ny filazan’ny mpanjifa rano ao an-toerana. Ny tapatapaky ny taona 2019 no nijoro ny fikambanana, izay nolanian’ny fokonolona ifotony tamin’ny fivoriana natao noho ny fitantanana tsy mazava sy fanaovana «  danin’ny kibony  » nataon’ny mpitantana teo aloha, indrindra ny taona 2018. 

Nanamafy izany ny fanadihadian’ny fikambanana Teen’s Mada Ambohibary Antanimena, ary fantatra fa «  misy trosan-drano an’hetsiny tsy voaloa  », araka ny nambaran’ny mpitantana ny fikambanana. «  Ampy izay ny gaboraraka, tsy azo ekena ny fanodinkodinana ny fananam-pokonolona.

Tokony hisitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny fananana iombonana eo amin’ny fokontany ny mponina  », hoy ny filoham-boninahitry ny fikambanana tenn’s Mada, Rajaonarison Mamy (Riry) «  Tsy nisy fanampiana hafa ankoatra ny vola teo an-tanan’ny fikambanana ihany no nanaovana izao asa sosialy izao, ary misokatra ho amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny fikambanana ho amin’ny fampandrosoana ny maha olona  », hoy kosa ny filoha am-perinasa, Ramanantsoa Thierry. 

«  Ny hamerina indray ny hasin’ny tanàna ka hampanjaka ny fahamarinana sy fifankatiavan’ny samy mpiray fokontany no tanjonay, raha tsy mahay mifanampy sy mifampitsinjo ny mpiara-monina dia hikorontana hatramin’ny firenena  », hoy ny filoha lefitry ny teen’s Mada Ambohibary Antanimena, Ravakinoro. Marihina fa nanampy tamin’ny fanavaozana sy fikojakojana ny fokontany Ambohibary Antanimena ny fikambanana ary miara-miasa akaiky ho fampandrosoana ny tanàna.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés