Webradio

VALANARETINA “CORONAVIRUS” : Olona roa hafa indray maty, 88 indray ny tranga teto Antananarivo

Araka ny antontan’isa ofisialy navoakan’ny ivon-toeram-pibaikoana ny ady atao amin’ny “Covid-19” eny Ivato dia niampy roa indray ireo lavon’ny “Coronavirus” teto Madagasikara. 2 juillet 2020

Ireto farany izay tafiditra tao anatin’ireo marary efa nampiseho trangan’aretina misy fahasarotana. 

Hatreto izany dia tafakatra 22 ny fitambaran’ireo namoy ny ainy hatramin’ny nahatafidiran’ ity valanaretina ity teto an-toerana nanomboka ny volana marsa lasa teo. Araka ny fampitam-baovao dia ny ankamaroan’ireo nindaosin’ny fahafatesana dia saika ireo olona manana aretina mitaiza avokoa, izany hoe ireo vondron’olona marefo. Manoloana izany indrindra no mila hanamafisana hatrany ny fitandremana ho an’ireo karazan’olona ireo. Ny manodidina azy ireo ihany koa, hoy ny Profesora Vololontiana, dia mila mitandrina mafy mba tsy hahazo ny tsimokaretina ka hamindra amin’izy ireo.
 Araka ny antontan’isa ofisialy hatrany dia tranga vaovao miisa 89 indray no voamarina, omaly.

Ny 88 tamin’ireo dia saika teto Antananarivo avokoa. Araka izany dia mitombo hatrany ireo olona mitondra ny tsimokaretina eto an-drenivohitra. Mijanona ho foiben-toeran’ny valanaretina i Antananarivo hatreto.

Azo lazaina ho mihalefy kosa izany ho an’i Toamasina satria tamin’ireo fitiliana izay natao tany an-toerana dia tsy nahitana tsimokaretina na dia iray aza. Raha ny isan’ireo sitrana kosa dia nisy 12 izany ho an’ny omaly izay nitsinjara teto Antananarivo sy tany Toamasina. Mahatratra 2303 hatreto ny fitambaram-ben’ireo olona mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara. Ny 1006 tamin’ireo no efa nahazo fitsaboana soa aman-tsara, 32 no marary mafy.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés