Webradio

VOIFIRAISANA : "Mbola betsaka ny kolikoly tsikaritra eny amin’ny sakana ara-pahasalamana"

Nanao tatitra ny fakàn-kevitra isam-paritra nataony  ny teo anivon’ny "Voifiraisana".  2 juillet 2020

Nambaran’izy ireo tao anatin’ity tatitra ity fa efa miezaka ny tompon’andraikitra rehetra manerana an’i Madagasikara manao ny ainy tsy ho zavatra, miara-mientana miady amin’ny fiparitahan’ny covid-19, saingy mbola misy hatrany ny lesoka mila fanatsarana.  Nambaran’izy ireo fa antony tsy ahafehezana ny  fiparitahan’ny aretina covid-19 eto amintsika ny goragora ateraky ny kolikoly, anisan’izany ny eny amin’ireny sakan-dalana ataon’ny mpitandro filaminana ireny.

Vokatr’izany anefa, hoy izy ireo,  dia maro ny olona marary avy aty Antananarivo na Toamasina sy avy any amin’ny Faritra hafa no tonga any amin’ireo distrika sy kaominina manodidina na koa any amin’ny Faritra hafa mihitsy aza nefa tsy misy fanaraha-maso akaiky atao azy ireny kory. Ao Mahajanga, ohatra, dia maro ireo mpivahiny tonga avy aty Antananarivo, amin’izao vanim-potoana izao.

Nilaza koa ny "Voifiraisana" fa ny fivezivezena Antananarivo-Antsiranana dia misy hatrany ny mahita lalana ambanin’ny tany sy mandeha an-tsokosoko.

Vidim-bary

Nanao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana mba hijery ny vidim-bary any amin’ny Faritra maro tsy mety midina koa ny "voifiraisana" satria ratsy ny vokatra tamin’ity taona ity ho an’ny tantsaha sasany, ka mampitombo ny fahasahiranana any amin’ny Faritra. "Midina ary ao anatin’ny fotoana maharitra ny fahefa-mividin’ny tantsaha satria ireo vokatra rehetra niakatra tao anatin’ izao fahamehana ara-pahasalamana izao dia voatery namidy tamin’ny vidiny ambany daholo noho ny fihenan’ny isan’ny mpandray vokatra.

Manararaotra ny toe-draharaha ihany koa ireo mpijirika.  Maro ireo orinasa any amin’ny Faritra no tsy afaka mihodina intsony, marary tanteraka ny sehatry ny fihariana, ny fitaterana, ny fizahan-tany, ny asa tanana, ny varotra isan-tsokajiny noho ny fihibohana sy noho ny fihenan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy amin’ny ankapobeny", hoy koa izy ireo.

Nisaotra ny Fitondram-panjakana

Na eo aza anefa izany,  nisaotra ny Fitondram-panjakana amin’ny fepetra noraisiny amin’ny fanenjanana ny fanaraha-maso ny fivezivezena any amin’ny Faritra hafa ity vovonana ity. Takin’izy ireo anefa ny hampiharana sazy farany izay henjana ho an’ireo mpitandro filaminana sy ireo olon-tsotra tratra mihoa-pefy tsy mitandrina eo amin’ny fifehezana ny tsy hiparitahan’ny aretina any amin’ny Faritra hafa tsy mbola voan’izany. 

"Omeo fahefana malalaka hitantana ny ady amin’ny valanaretina coronavirus izay mifanaraka amin’ny zava-misy any aminy avy ny Faritra tsirairay, ka anjaran’ny CCO foibe no mandrindra izany mba hifameno sy hitondra fahombiazana ho an’ny rehetra.  Mila ampifanandrifiana amin’ny  vahoaka mahantra maro an’isa ny paikady iadiana amin’ny coronavirus. Efa tena tsy zakan’ny tokantrano malagasy maro ny fihibohana tsy misy tohana, ary na misy aza izany dia tsy ampy sady zara vilana no anjakan’ny kolikoly sy kiantranoantrano", hoy koa izy reo nandroso soson-kevitra.  

Mila tsinjovina manokana ireo tena sahirana sy ireo manana kilema manerana ny Nosy, hoy ny "Voifiraisana" mba hahafahan’izy ireo misitraka ireo tohana ara-tsosialy sy mahazo fanampiana hanarenany ny foto-pivelomany rava noho izao valanaretina izao.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés