Webradio

NAMALY NY TSAHO ANENJEHANA AZY RAJOELINA : "Salama sy matanjaka tsara ny tenako ary tsy mitsoaka ady "

Namaly ny tsaho fanenjehana azy ho marary sy lasa nandeha nitsabo tena an-tsokosoko any ivelany ny Filoha, nandritra ny fidinana ifotony nataony teny amin’ny orinasa "Pharmalagasy", omaly.   2 juillet 2020

"Salama tsara tsy manahy ny tenako, tsy mitsoaka ady aho, fa vonona hiaro ny vahoaka Malagasy mandrakariva. Ny olona izay irin-ko faty vao mainka ela velona. Tsy voan’ny Covid-19 aho ary tsy misy antony tokony hitsaboana tena any ivelany, satria izao fananganana ny Pharmalagasy izao no porofo fa mitady ny fanefitra isika Malagasy", hoy izy nahitsy fiteny. Ny any ivelany no mila ny fanafody vita avy eto Madagasikara ary afaka manondrana izany i Madagasikara raha toa ka ilaina, hoy koa izy. 

Nanantitra koa ny Filoha fa fitsinjarana asa no misy eo aminy sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ka nahatonga ity farany nomena andraikitra hilaza izay fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny alahady lasa teo. "Tamin’ny zoma lasa teo, efa nanao kabary miezinezina ho an’ny vahoaka Malagasy aho, ataoko fa rariny sy hitsiny raha nomena andraikitra ny Praiminisitra noho ny fahatokisako azy hitafa amin’ny vahoaka malagasy" hoy koa izy. Nanteriny mihitsy aza moa fa manomboka izao dia hifandimby hitafa amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoha sy ny Praiminisitra mikasika izay ho tohin’ny fanapahan-kevitra raisina mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao.

Hivoaka afaka iray volana ny "gélules CVO+"

Marihina fa ny Filoha Andry Rajoelina mivady niaraka tamin’ireo Delegasiona notarihiny no nidina ifotony teny amin’ny "Pharmalagasy", ozinina hanao ny famokarana fanafody eto Madagasikara, teny Tanjombato io omaly io. Fidinana ifotony nijereny ny fandroson’ny asa fananganana ny ozinina. Mandroso ny fanaovana ny asa raha ny hita teny an-toerana na dia mbola vao roa volana latsaka aza no nikasana hametraka sy hemerina indray izany orinasa reharehan’ ny Malagasy izany. 

Fantatra nandritra ity fidinana ifotony ity koa fa hivoaka afaka iray volana ny famokarana voalohany ny "gélules CVO+"  ao amin’ny "Pharmalagasy". Fitaovana harifomba sy teknolojia avo lenta avokoa no manao ny asa famokarana eny an-toerana. Efa mandeha amin’izao ny fametrahana ny fitaovana rehetra hamokatra fanafody.

Hamokatra fanafody 15 000 isa-minitra

Vinavinaina hahavita fanafody maherin’ny 15 000 isa-minitra ity orinasa mpanao fanafody "Pharmalagasy" ity ary milina  miisa telo lehibe no manao ny famokarana. Efa miroso amin’ny andrana ara-klinika ( essaie clinique) "in Vivo" sy "in vitro" amin’ny "gélule cvo+" ihany koa amin’izao fotoana izao ny eny amin’ity ivon-toerana ity  mialoha ny hampiasana izany amin’ny olombelona. "Atao amin’ny biby aloha ny fikarohana sy ny fampiharana azy, rehefa hita fa mandaitra sy tsy atahorana izay vao atao amin’ny olombelona amin’izay", hoy ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina. 

Nanazava koa ny Filoha fa tsy mitovy amin’ny "tambavy Cvo" ny "Gellules Cvo+ hovokarina. "Ny tambavy dia tena tambavy tahaka ireny fampiasan’ny Malagasy ireny no nohavaozina sy nampanarahana ny fenitra, fa ity "Gellules" ity kosa dia hisy singa hafa voarefy sy voasedra hafangaro aminy no sady nohalalinina manokana", hoy hatrany ny fanazavana. 

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés