Webradio

HETSIKA AVOTR’AINA : Hisitraka rano fisotro madio amin’ny vidiny mirary ny mponin’Antananarivo Renivohitra

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ ny ady atao amin’ ny fiparitahan’ ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, nisokatra omaly teo anoloan’ny lapan’ny tanàna Analakely ny  hetsika "Avotr’Aina" iarahan’ny Minisiteran’ ny rano sy ny  fanadiovana ary ny fidiovana, ny Unicef ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra, manatontosa. 2 juillet 2020

Hetsika natao mba hisitrahan’ny olona rano fisotro madio izy ity. Manomboka ny volana jolay ary haharitra 3 volana manerana ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra dia 20 ariary ny vidin-drano iray bidao mavo. "21 andro no fangalan’ny Jirama ny marika voasoratra eo amin’ny kaontera, ka  ao anatin’izay no manomboka ny fisitrahana ny roapolo ariary amin’ny roapolo litatra", hoy ny Minisitra Voahary Rakotovelomanantsoa. Efa hita ho mihasahirana noho ny fihibohana sy ny fahaverezana asa ny olona ka tsy maintsy ampidinina ny vidin’ny rano, hoy koa ny Minisitra.

Nifanindra an-dalana tamin’ity hetsika ity koa ny  ny fizaràna "Gél desinfectant" sy famendrahana ranom-panafody ho an’ ny fiara fitateram-bahoaka sy fiarakaretsaka miasa eto an-drenivohitra. Sahirana ireo mpitatitra, raha ny nambaran’ny  filohan’ny Fitaterana "Mendrika" eto Antananarivo, ka rariny loatra raha ampiana sy tohanana mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao. Voalazany fa misy amin’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra no voasazin’ny mpitandro filaminana, ao koa ny mahazo fampitandremana.  

Nanararaotra nanome soso-kevitra koa ny mpitatitra  nandritra ity hetsika ity mba hanaovana ny famendrahana ranom-panafody eny amin’ny fiantsonan’ny taksibe. Marihina fa ny Faritra Analamanga, Moramanga ary Atsinanana izay tena ahitana ny tsimokaretina coronavirus no nanombohana ny tetik’asa Avotr’Aina. Aorian’ireo kosa dia hitohy any amin’ny Faritra hafa izany.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés