Webradio

FAMPANANTENANA NATAON’NY FILOHA : Distrika maro no efa misitraka fampandrosoana

Tsy vitsy ny Distrika efa misi traka an’ireo fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina. 2 juillet 2020

An-dalam-pahavitana avokoa ny ankamaroan’ireo fotodrafitrasa nampanantenainy, izay hiantoka betsaka ny fampandrosoana ny tanàna.

Anisan’ireo Distrika efa nandalovan’ny Filoha Andry Rajoelina ny tao Betafo, ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra. Ity farany izay nampantenainy fotodrafitrasam-pampandrosoana maro ary betsaka amin’ireo no efa an-dalam-pahavitana, amin’izao fotoana izao, araka ny tatitra noentin’ny olom-boafidy avy any an-toerana. Nampanantena tamin’ireo mponina ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny hananganana sekoly manara-penitra miampy kianja manara-penitra hahafahan’ny tanora miala voly. An-taonany maro no tsy mba nisitraka izany ny vahoaka ary saika nataon’ireo mpitondra nifandimby teo aloha faralahy amin’ny fampandrosoana mihitsy aza. 

Ny Filoha Andry Rajoelina izay tsy nanadino ny Distrikan’i Betafo ary notanterahiny avokoa izay velirano nifanaovany tamin’ny vahoakan’i Betafo. Nanomboka efa ela ny ankabetsahan’ireo fotodrafitrasa izay nampantenainy. Araka ny tatitra voaray dia efa vita hatrany amin’ny 80% ny kianja ny manara-penitra ary tahaka izany ihany koa ny sekoly manara-penitra. 

Isan’ireo Miarinarivo
Ho an’ny Distrikan’i Miarinarivo indray dia ny asa fanamboaran-dalana izay tena mamaly ny hetahetan’ny vahoaka no efa sitrahan’ireo vahoaka amin’izao fotoana izao. Efa azo lazaina ho milamina ihany koa ny lafiny fandriam-pahalemana amin’ireo Kaominina maro mandrafitra an’ity Distrika ity. Ny fandriam-pahalemana izay tafiditra ao anatin’ireo velirano 13 nataon’ny Filoham-pirenena, ka efa misitraka feno izany ireo mponin’i Miarinarivo, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana. Noho ny ezaky ny Fitondram-panjakana izay niarahana nientana tamin’ny vahoaka no nahafahana nametraka ny filaminana tao an-toerana.

“Ny goavana indrindra dia ny famerenana tsikelikely ny lafiny fandriam-pahalemana. Tamin’ny farany dia nisy ireo Kaominina maromaro, manana olana amin’ny fandriam-pahalemana, izay isaorana ny Fitondram-panjakana fa efa tonga ny miaramila amin’ny ampahany voalohany ho an’ny Kaominina Ifanja sy ny Kaominina Sarobaratra. Mbola ho avy ihany koa izany ho an’ireo Kaominina sasany. Ankoatra izay dia apetraka ireo biraon’ny zandary  izay zava-dehibe ihany koa amin’izay famerenana ny fandriam-pahalemana izay”, hoy ny fanazavana noentin’ny solombavambahoaka voafidy tao Miarinarivo.

Ankoatra ireo dia tetikasa maro tao anatin’ireo nampantenain’ny Filoha Andry Rajoelina no efa miainga, raha tsy hilaza fotsiny ny fananganana ny Epp manara-penitra, kianja manara-penitra ho an’ny tanora sy ireo asa fanamboaran-dalana marobe.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés