Webradio

FAHASALAMANA AO MAHAJANGA : Mbola tsy raharahian’ny vahoaka ny Covid-19

Hatreto dia mbola vitsy ihany ny manao aron-tava eto Mahajanga. Na efa manao fanentanana ombieny ombieny aza ny tompon’andraiki-panjakana sy ny mpitsabo dia mbola tsy maro ireo manaja ny fepetra napetraka. 2 juillet 2020

Ny fitondrana aron-tava sy ny fanajana ny elanelana no tena tsy voahaja indrindra. Mbola misy hatrany ny fitangorongoronana. Efa mandrahona moa ny tompon’andraikitra fa hihenjana ny fampanajana ny fihetsika sakana. Na izany aza, hoy izy ireo, dia ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay no tena andrasana sy anentanana ny rehetra. 

Betsaka koa ny olona tonga eto Mahajanga nahazo fahazoan-dalana nefa tsy mihiboka avy hatrany fa mitsangantsangana. Misy ihany koa ireo miditra an-tsokosoko. Ireo mpanara-maso moa dia tsy manenjika loatra ireo tsy manara-dalàna intsony. Ilaina, araka izany, ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay satria ny tenany sy ny fianakaviany aloha no arovany amin’izany fanajana ny fepetra izany. Mbola ny manenjika sy mimenomenona amin’ireo olona miditra eto Mahajanga an-tsokosoko na tsia no mahavariana ny olona fa tsy ny fiarovana ny ainy velively.

Tsara ny mampahatsiahy fa efa tafiditra eto Mahajanga efa ela ity aretina ity ary betsaka amin’ny Malagasy no tsy misy soritr’aretina, saingy mitondra ny tsimokaretina. Midika izany fa efa tsy fantatra amin’ireo olona mifanerasera amintsika rehetra eto Mahajanga ny mitondra ny tsimok’aretina satria tsy maharaka rahateo ny fitiliana, ka ny fahendrena dia ny miaro tena amin’ny fanajana ny fepetra rehetra apetraky ny Fanjakana.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés