Webradio

COVID-19 : Miverina amin’ny fihibohana tanteraka Analamanga, miato avokoa ny fampianarana

Ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana dia natao tamin’ ny alalan’ny "viseoconference" ny filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian,  tamin’ny sabotsy 4 Jolay sy omaly 05 Jolay. 8 juillet 2020

 Nifandimby niakatra tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM kosa ireo Minisitra tompon’ andraikitra maromaro taorian’ izay nilaza ny mety ho tohin’ny fihibohana sy ny fepetra horaisina mifanaraka amin’izany.
Noho ny fiparitahan’ny valanaretina sy noho ny fitombon’ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina dia nohamafisina nandritra ny fanambaràn’ireo Minisitra, omaly, fa  miverina mihiboka tanteraka ny Faritra  Analamanga. Mikatona  manomboka  ny alatsinainy izao ka hatramin’ny alatsinainy 20 Jolay 2020 ary tsy azo ivezivezena na mivoaka na miditra ato anatin’ny Faritra Analamanga. Misokatra mandritra ny tontolon’ny andro ihany anefa ny fivarotam-panafody rehetra. Misokatra ireo toerana fivarotana ny zavatra ilaina andavanandro, ka olona iray ihany isan-tokantrano no mahazo mivoaka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora maraina ihany.

Ny fiarakaretsaka sisa miasa

Notapahana nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny sabotsy teo ary mbola nohamafisina, omaly fa foana avokoa ny fanomezan-dalana manokana rehetra ary tsy misy olona mahazo fahazoan-dalana intsony na iza na iza mivoaka sy miditra ny Faritra Analamanga.  Mba hahafahana mitondra ny marary  mamonjy toeram-pivarotam-panafody na toeram-pitsaboana kosa dia noferana fa ny  fiarakaretsaka ihany sisa no omena alalana hiasa. Amin’izany anefa, olona 3 ihany no entiny. Tsy maintsy mampiasa ny "gel désinfectant" ary  tsy maintsy fendrahana fanafody isan’andro ny fiara. Mitsahatra avokoa ny fiara fitateram-bahoaka miasa eto Antananarivo sy ny manodidina. Nilaza ihany moa ny Minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo sy ny Minisitry ny fitaterana fa afaka mitondra fiara manokana ihany ireo olona hiantsena ny tapany maraina sy tsy maintsy hivoaka fa tsy mahazo mitondra olona mihoatra ny telo.

Miato ny fampianarana

Ho an’ny fiara mpitatitra ireo entana andavanandro, tsy niova ny fepetra. Afaka mivezivezy amin’ny 2 ora  folakandro ka hatramin’ny valo ora alina ireo miasa ato amin’ny Faritra Analamanga, saingy tsy mahazo mitondra mpandeha na mitondra olon-kafa ankoatra ny mpamily mpanampy.  Miato kosa ny fampianarana ho an’ny kilasy rehetra eto amin’ny Faritra Analamanga.  Mikatona ny sekoly  rehetra  ary holazaina  amin’ny  fotoana manaraka ny daty hanaovana ny fanadinam-panjakana. Miverina mikatona koa ny toeram-pivavahana rehetra eto an-drenivohitra.

Hiasa tontolo andro ireo tsy manaraka fepetra

Nanterin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, omaly koa fa ho hentitra tanteraka ny fepetra horaisina ho an’ireo olona tsy manaraka fepetra. Tsy ampy intsony, hoy izy, ny fanasaziana tapak’andro fa hitarina tontolo andro mihitsy ny asa ho an’ireo izay tratra. Hisy ny fandraisana ny anaran’ireo izay tsy manaja ny fihibohana sy ny fepetra ara-pahasalamana manao ity asa iombonana (TIG) ity, ka ireo tratra mamerin-keloka dia hotazomina am-ponja mihitsy mandritra ny fotoana tsy voafetra.

 Misokatra hatramin’ny 12 antoandro ny orinasa

Afaka miasa amin’ny ampahany ny mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina ary tsy hisy fahatapahany ny fandraisana olona amin’ny biraom-panjakana (service minimum) raha ny nambaran’ny Minisitry ny varotra, Lantosoa Rakotomalala saingy ireo tena ilain’ny vahoaka no afaka manao izany. Miato sy mikatona avokoa ny tsena azo ampandeferina amin’izao hamehana izao. Hatramin’ny 12 antoandro ihany no misokatra ny tsenam-pokontany ary hofendrahana fanafody aorian’ny ora fikatonan’ny tsena. 

Afaka misokatra ihany koa ny tsena kely sy ny tsena lehibe (Grande surface) rehetra ato amin’ny Faritra Analamanga. Hampiasaina  ny "Task Force" rehefa tapitra ny ora fivohan’ny tsena hisorohana ny fandikan-dalàna. Nanafatra ny mpanjifa sy ny mpivarotra ny Minisitry ny varotra nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Tvm sy Rnm ary nanantitra fa ny Minisiteran’ny varotra dia manara-maso hatrany ny vidin’ entana eny an-tsena ka tsy tokony hisy hikoropaka ny mpanjifa. Ny tokony hatao, hoy izy, dia manaja fepetra satria misokatra isan’andro amin’ny ora mahazatra ny tsena.

 Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés