Webradio

FIVOARAN’NY “COVID-19” ETO ANALAMANGA : 210 ireo voa tamin’ireo 578 natao fitiliana

Raha nitaha tamin’ireo antontan’isa nifanesy tato anatin’ny telo andro dia azo lazaina ho nisy fihenany kely ny isan’ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto Antananarivo, Faritra Analamanga, raha ny tarehimarika nivoaka ofisialy, omaly antoandro. 8 juillet 2020

Niisa 210 izy ireo. Nahatratra 578 ny fitiliana natao izay nifarimbonan’ireo ivon-toeram-pitiliana telo misy eto an-drenivohitra dia ny HJRA, ny labôratoara LA2M ary ny “Institut Pasteur de Madagascar”. Ny 210 tamin’ireo no hita fa mitondra ny tsimokaretina ho an’ny Faritra Analamanga, izany hoe ny 36, 33%-n’ireo olona natao fitiliana. Nahatratra 222 kosa ny fitambaran’ny tranga vaovao omaly, araka ny tarehimarika ofisialy navoakan’ny Cco.

Ankoatra ireo 210 hita teto amin’ny Faritra Analamanga izay maro an’isa hatrany dia mitsinjara amin’ny Faritra hafa ny ambiny. Nahitana tranga vaovao miisa telo tao Antsirabe, roa tao amin’ny Faritra Itasy, iray tany Toamasina, telo tany Nosy Be ary telo kosa tany Mahajanga. Tato anatin’ny efa-bolana latsaka izay dia mitontaly 3472 ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 33 kosa ireo efa lavony, ary 1187 ireo efatra sitrana soa aman-tsara. Niampy 52 izy ireo omaly ary afaka nody avy hatrany any amin’ny fianakaviany.

Hatreto dia mbola ny Faritra Analamanga ny ivon’ny valanaretina. Mbola betsaka ireo voamarina fa mitondra ny tsimokaretina. Manoloana izany no tsy maintsy hanamafisana ny fanentanana sy ny fampiharana an’ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Tahaka izany ihany koa ny any amin’ireo Faritra hafa izay mampihatra avy hatrany ny sazy ho an’ireo olona minia tsy manaraka ny fepetra. Any Toamasina dia mbola henjana ny fanaraha-maso an’ireo fepetra ara-pahasalamana na dia efa zara raha ahitana tranga vaovao aza. 

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés