Webradio

MPANARA-MASO NY JONO AO NOSY BE : Nahatratra mpijibika dingadingana nampiasa fitaovana voarara

Mba ho fiarovana ny harena an-dranomasina eto amintsika dia voarara ny mampiasa fitaovana toy ny tavoahangina gazy, "détendeur " sy ny hafa. 8 juillet 2020

Araka ny lalàna velona eto amintsika dia tsy azo atao ny mitrandraka ny harena  an-dranomasina raha mampiasa ireo fitaovana ireo, raha tsy mahazo alalana manokana ankoatra an’ireo manao fialamboly mijibika ireny.

Araka izany, arahi-maso akaiky ireo mpijibika dingadingana na “concombre de mer” amin’ireo toerana ahitana izany.

Raha ny tao Nosy Be no resahina dia niova fomba fiasa ireo mpijibika ireo any anivon-dranomasina any. Raha nampiasa vedety izy ireo teo aloha dia ireny lakana ireny no ampiasain’ireto farany izay entina hamitahana ireo tompon’ andraikitra mpanara-maso ny jono tao Nosy Be. Araka ny fantatra dia mody manjono ny sasany eo ambony lakana nefa ny hafa mijibika anaty ranomasina mampiasa ireo fitaovana voarara ireo.
Lakana miisa roa no tratran’ireo mpanara-maso, ny alatsinainy 6 jolay teo, izay nahatrarana “bouteille à gaz” miisa 30 sy “jacket” miisa 10 ary “détendeur” miisa 8 sy ireny kapa entina mijibika na “palmes” miisa 7. Tao amin’ny faritry ny ranomasina Baie Tsimipaika ao Nosy no nahatrarana izany.

Hentitra amin’ny tsy fanaran-dalàna tahaka izao ny avy amin’ny Minisiteran’ny jono, indrindra ny ekipan’ny mpanara-maso ao Nosy Be.

Raha tsiahivina dia vao herinandro vitsivitsy lasa izay no nitokanana sy nametrahana ity sampan-draharahan’ ny jono ity ao Nosy Be, izao efa nahitam-bokany izao tamin’ny fahatrarana ireo izay tsy manara-dalàna izao.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés