Webradio

MAROANTSETRA : Nidinika ho amin’ny fanatsarana lavanila ireo mpisehatra

Manoloana ny fangatahan’ireo ben’ny tanàna ao amin’ny distrikan’i  Maroantsetra ny amin’ny handrosoana ny datin’ny fisokafan’ny taom-piotazana lavanila ho anio 8 jolay, dia tonga tao Maroantsetra ny talem-paritry ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana Analanjirofo, Ralaimazava Barnabe niara-nivory sy nidinika tamin’ireo ben’ny tanàna sy ireo mpandraharaha niaraka tamin’ny solontenam-panjakana sy ireo sampan-draharaha voakasika amin’ny lalam-pihariana lavanila.  8 juillet 2020

Fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanatsarana ny lavanila no votoatin-dresaka. Samy nanome fanazavana ny tompon’andraikitra rehetra. Fantatra fa voatazona ho amin’ny 15 Jolay ny daty hisokafan’ny taom-piotazana amin’ity taona 2020 araka izay nofaritan’ny didy minisiterialy laharana 9734/2020 ny 20 mey lasa teo. Nohazavaina nandritra io fihaonana io fa tsy ny minisitera irery no mamaritra ny daty fisokafan’ny taom-piotazana, fa miainga amin’ny famenoan’ny tantsaha ny takelaka momba ny fivoaran’ny voly izany, izay ahitana ny daty namakian’ny tantsaha tsirairay ny vonin’ny lavanila ka miankina amin’io no hamolavolana ny daty. Nanao fanamarihana ny rehetra fa tsy dia tafapaka loatra amin’ireo tantsaha ao Maroantsetra io takelaka fenoina momba ny lavanila io hatramin’izay. 

Mila hatsaraina ny fanaparitahana azy mba hitsinjovana ny taom-piotazana manaraka. Nambaran’ny tompon’andraikitry fambolena ao Maroantsetra, fa tonga amin’ny tantsaha ilay takelaka fenoina fa tsy mazoto ireo tantsaha hameno azy ary sarotra ny fanangonana azy. Resy lahatra ny mpandray anjara tamin’ny fihaonana fa tena zava-dehibe tokoa ny fifanakalozan-kevitra tahaka izao mba hanatsarana ny amin’ny ho avy.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés