Webradio

FODIANA AN-TANINDRAZANA : Naato ny sampan-draharaha sasany noho ny covid-19

Miezaka hampifandrindra hatrany ny fifehezana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus sy ny fitsinjovana ny vahoaka ny Fitondrana hatramin’ny nidirana tamin’ny hamehana ara-pahasalamana.  8 juillet 2020

Voajery tao anatin’izany hatramin’ireo mpila ravinahitra any ivelany izay efa nisy nampodiana, ka mba mangataka io tombontsoa io koa ireo tantsambo Malagasy mihitsoka any, amin’izao fotoana izao.

Tra-pahasahiranana tahaka ny mpivahiny rehetra mipetra-potsiny, tsy an’asa any an-tanin’ olona ny tantsambo Malagasy niasa tamin’ny orinasam-pitaterana an-dranomasina samihafa, hatramin’ny nisian’ity coronavirus ity. Nisafidy ny hiverina an-tanindrazana ny 710 amin’izy ireo, araka ny hafatra nampitainy tamin’ny fikambanan’ny mpila ravinahitra «  Zanak’i Gasikara  », ka mila ny fanampian’ny mpitondra aty an-toerana amin’ny hahafahany manao ny dia toy ireo efa nody teo alohany.

Re avy amin’ireo mpila ravinahitra ireo ny fisian’ny sidina ho aty Madagasikara, haka ireo teratany vahiny tavela aty ary hiainga avy any amin’ny Nosy La Réunion ny faha-6, faha-10 ary faha-12 jolay izao. «  Fanirianay ny hifampiraharahan’ny mpitondra Malagasy amin’ireo tompon’andraikitra ka hampandalovana ireo sidina ireo any amin’ny Nosy Kaomôro, hitondra ireo Malagasy tafajanona ao na izay afaka mamonjy ireo fiaramanidina ireo ao  », araka ny fanambaràna nampitain’ny «  Zanak’i Gasikara  » tamin’ny solontenany eto an-tanindrazana, Rasambozafy Cyrille, omaly.

Nampahatsiahivin’ity masoivohon’ny fikambanana «  Zanak’i Gasikara  » ity fa efa tongotra mby an-dakana hatry ny ela ny tantsambo Malagasy 128 any Soisa sy ny 50 hafa tavela any Dubaï fa miandry ny fampiharana ny fanapahan-kevitra fanamorana ny fampodiana azy ireo, araka ny tapaka tamin’ny filan-kevitry ny minisitra, tamin’ny fiandohan’ny volana teo fotsiny.

Makoalahy


FODIANA AN-TANINDRAZANA
2020-07-08 08:33:59 par Jimmy Mahasolo

Salama Tompoko.

Mba maniry ho tafiditra amin’izay tetika hampodina ny malagasy izay koa izahay aty Seychelles. Inona ny tokony atao ? Misaotra amin’ny fampitana hafatra.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés