Webradio

FARITRA ANDROY : Natomboka ny fanamboarana toho-drano hanondraka velaran-tany 180ha

Natao tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny fametrahana ny vato fototra ho mariky ny fanombohan’ny asa fanamboarana toho-drano lehibe hanondraka velaran-tany manodidina ny 180 ha ao amin’ny Kaominina Beraketa, Faritra Androy.  20 juillet 2020

Aorian’izao fametrahana ny vato fototra izao dia hanomboka avy hatrany ny asa ary vinavinaina haharitra telo volana ny faharetany. Mitentim-bidy hatrany amin’ny 800 tapitrisa Ariary ny fanorenana ity toho-drano lehibe ity. Hisy fanamboarana tetezana ho an’ny fokonolona koa hiara-dalana amin’izao. Amin’ny alalan’ny fandaharan’asa Defis eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono moa no hanatanterahana ny tetikasa.

Araka ny fatantra, isan’ny sompitry ny Faritra Androy amin’ny vary sy ireo vokatra hafa ny Kaominina Beraketa, ka izany no antony nananganana izao toho-drano lehibe izao. Antenaina hamaha ny kere miverimberina any amin’ny Faritra Androy koa  ny fahavitan’ity fotodrafitrasa lehibe ity, sady fanatanterahana ny velirano fahasivy an’ ny Filoham-pirenena, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Nitarika ny fametrahana ny vato fototra tany an-toerana nandritra izao moa ny Governoran’ny Faritra Androy, Soja Tsimandilatse Lahimaro,  ireo ekipan’ny Programa Defis ary ny talem-paritry ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono any an-toerana.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés