Webradio

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO : Hiampy 20 Mw ny famokarana ao Ambatolampy

Hitombo avo roa heny ny famokarana herinaratra ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Ambatolampy. 20 juillet 2020

 Raha toa ka 20 MW ny tanjaky ny herinaratra vokarina ao an-toerana amin’izao fotoana izao dia hiampy 20 MW izany.  Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny Jirama sy ny orinasa Grenn Yellow, amin’ny fanatanterahana ny tetikasa hampitomboana ho 40Mw ny vokatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro ao Ambatolampy.  Afaka herintaona no hanomboka hotrandrahina amin’ny famatsiana ny mpanjifa ao amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo na ny RIA, io famokarana 20 MW fanampiny io.

Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Tafiditra ao anatin’ny paikady fampihenana ny mason-karenan’ny Jirama amin’ny famokarana herinaratra izany no sady dingana hahatongavana amin’ny vahaolana lavitr’ezaka ahafahan’ny vahoaka misitraka herinaratra amin’ny vidiny mirary kokoa. Raha mihena ny fampiasana solika eo amin’ny famokarana herinaratra dia mora kokoa ny saran’ny herinaratra.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés