Webradio

ZAVA-MISY

FILOHA ANDRY RAJOELINA TANY NOSY BE : "Ilaina ny miatrika avy hatrany dieny tsy mbola miparitaka ny aretina"

Mitohy ny dian’ny Filoham-pirenena mivady mitsidika iny tapany avaratry ny Nosy iny, hiatrehana ny ady atao amin’ny valanaretina coronavirus.  28 juillet 2020

Rehefa avy tany Mahajanga dia Nosy Be sy Antsiranana indray no notsidihan’ny Filoham-pirenena Andry, Rajoelina, omaly alatsinainy 28 jolay 2020.
Nandritra ny fandalovan’izy mivady sy ireo delegasiona miaraka aminy tao Nosy Be dia nampanantena fitaovana fitarafana nomerika (radiologie numérique) sy fiara mpitondra marary (voiture ambulance ) ary nanolotra ny tambin-karaman’ ny mpiasan’ny hopitaly, tsy misy fanavahana, ny Filoham-pirenena ho an’ny Hopitalim-panjakana CHRD ao Miadana Kaominina. 

Ankoatra ireo, fitaovana momba ny fitsaboana toy ny «  concentrateurs d’oxygène  » maromaro, fanafody CVO, fanaovana fitiliana covid-19 (Test PCR et TDR ihany koa no natolony ho an’ity Hopitalim-panjakana ity.
Mararin’ny covid-19 miisa 18 no efa sitrana
Araka ny fanazavana nomen’ny Dokotera inspektera (médecin inspecteur), Befary Marie Patricia dia olona miisa 18 no fantatra fa nitondra ny tsimokaretina coronavirus tao Nosy Be. Amin’izao fotoana izao dia efa sitrana avokoa ireo ary tsy misy tranga intsony ao an-toerana hatramin’ny anio 28 jolay 2020. Ny 8 amin’ireo dia  narahana maso tany an-tokantranony avy, fa ny 10 hafa dia notsaboina tao amin’ny hopitaly. Ny roa amin’ireo dia tamin’ny fitiliana «  TDR  » no nahafantarana azy ireo fa nitondra ny tsimokaretina Covid-19. Ny 16 sisa kosa dia fitiliana tamin’ny alalan’ny «  PCR  ». Nanamafy ity Dokotera ity fa  : «  ampy ny fanafody hitsaboana ny Covid-19 ao amin’ny hopitalin’i Nosy Be saingy ilaina hatrany ny mitandrina sy miaro tena tsy hiparitahan’ny aretina".

Nanolotra fanafody
Mikasika an’i Nosy Be manokana, nanantitra ny Filoha fa ilaina ny miatrika avy hatrany ny valanaretina Covid-19 na dia mbola tsy miparitaka betsaka aza izany any amin’iny faritra iny. Somary lavitra akaiky ihany mantsy i Nosy Be raha oharina an’ireo Faritra na Distrika manerana an’i Madagasikara. Ny antony dia mba hahafahana misoroka avy hatrany ity valanaretina ity. "Mandalo eto Nosy Be aho androany ary mitondra sahady ireo fanampiana ara-pitaovana sy ireo fanafody maro isan-karazany.

Ao ny CVO izay mbola hampiana satria tao Mahajanga no betsaka voa ankehitriny. Isika eto Nosy Be dia isaorana an’Andriamanitra fa mbola azo fehezina sy sorohina ny covid-19. Misy fanafody ireo noentina hafahana miatrika izany", hoy ny Filoha. Nohamafisiny koa fa ny tena zava-dehibe dia ny fitondrana ny fitaovana fitiliana. Ny olona fantatry ny Dokotera fa misy ilay soritr’aretina mantsy dia tokony hatao fitiliana avy hatrany. 

Raha efa izay, tokony hatao avy hatrany ny fitsaboana (traitement) izay olona heverina fa efa marary mandra-pivaly ny fitiliana. Nitondra ny aron-tava sy aron’akanjo ho an’ny mpitsabo (combinaison, épi, équipement de protection individuelle, blouse,….) hahafahana miaro ny Dokotera rehetra ihany koa ny Filoha sy ny Delegasiona notarihiny.

Manana olana amin’ny fisefoana ireo marary

Marihina fa ny olona rehefa tratran’ity valanaretina ity dia manana olana amin’ny fisefoana, izany hoe tratran’ny fahasemporana. Ny antony dia any amin’ny tratra no tena tafihin’ilay viriosy farany. Rehefa manana izay olana izay ny tsy salama dia tokony hotsaboina avy hatrany aloha mandra-pivalin’ny fitiliana atao azy, hoy hatrany ny fanazavana. 

 "Nitondra Concentrateurs d’oxygène” izahay mba hahafahana mamonjy na mitsabo ireo marary mafy mila izany. Mitodika manokana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ny tenako, mankahery anareo, manohana anareo izahay, na ara-moraly, na ara-pitaovana na dia tsy betsaka aza ny tranga eto Nosy Be. Miray fo, miray saina aminareo mba hahafahantsika miaraka miatrika an’izao valanaretina izao", hoy koa ny Filoha nandritra ny fandraisam-pitenenany.  Nisy fampirisihina, fankaherezana, toy ny «  prime  », «  indemnités de risques  » koa ankoatra izay natolotra ho an’ny mpiasa rehetra tsy misy anavahana manomboka any amin’ny mpiambina, mpamafa trano…. "Omena sy atolotra am-pitiavana izany. Mankahery anareo, tsy maintsy horesintsika ny coronavirus. Efa ao ny fanafody rehetra hitsaboana ireo olona mitondra ireo tsimokaretina".

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés