Ny tolakandron’ny alahady 26 jolay taorian’ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Governoran’ ny Faritra Boeny no nanolaran’ny Filoham-pirenena izany, teny amin’ny hopitaly CHU Mahavoky Atsimo na ny Manara-penitra. Ankoatra izay dia nitondra tamby manokana ho an’ireo mpitsabo misehatra amin’ny ady atao amin’ity Covid-19 eto Mahajanga ity ny Filoha, ka ny faran’ny volana aogositra ho avy izao no hanomboka hisitraka isam-bolana izany ireo mpitsabo amin’ireo hopitaly roa lehibe eto Mahajanga dia ny CHU PZaGa sy ny Manara-penitra Mahavoky atsimo. Hanomboka hisy ny fitiliana faobe atao eto Mahajanga taorian’ny nahazoana ny fitaovana PCR nomen’ny Filoha ity.
Marihina fa 27 ny isan’ireo mararin’ny Covid-19 ao amin’ny hopitaly CHU Mahavoky atsimo hatramin’ity ora nanoratanay ny vaovao taorian’ny fitsidihana naton’ny Filoham-pirenena teny an-toerana, ny alahady tolakandro teo ity, raha afaka mandray marary hatramin’ny 73 ny hopitaly.
Ilay tambavy Cvo indray dia hozaraina isam-pokontany, ka ny Governora no nomena fahefana hitsinjara izany amin’ny alalan’ny lisitra avy amin’ireo sefom-pokontany, hoy ny Filoha. Tamin’izao fitsidihana izao dia niara-dalana tamin’ny Filoham-pirenena ny Minisitry ny atitany sy fitsinjaram-pahefana ary ny Minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, izay mbola nijanona namita iraka hiadiana amin’ny Covid-19 eto Boeny.
Marcos