Webradio

ADY AMINY COVID-19 : Nampirisika ny vahoakan’ i Mahajanga hisotro ny tambavy CVO ny Filoha

Niezaka nanentana ny vahoakan’i Magajanga hisotro ny tambavy CVO ny Filoham-pirenena, nandritra ny fitsidihany tany. 28 juillet 2020

Nisy ny fijoroana vavolombelona nataony izay nilazany fa izy sy ny fianakaviany dia efa miditra amin’ny dingana fahatelo amin’ny fisotroana ity tambavy CVO, entina hisorohana ny valanaretina Covid-19. Ankoatra izay dia nolazainy ihany koa fa betsaka koa ireo olona mpiara-miasa ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy any amin’ireo minisitera isan-tokony ary na ireo mpanao gazety dia efa misy mitondra ny valanaretina Covid-19 ity, ka manaraka ny fitsaboana amin’ny alalan’ny tambavy CVO. 

Nampiany koa fa Solombavambahoaka miisa efatra izay efa tao anatin’ny fahasarotana ara-pahasalamana noho ity valanaretina ity no sitrana soa aman-tsara rehefa nisotro ny tambavy io. Iray litatra isan’andro mandritra ny herinandro ho an’ny olona iray no fanarahana ny fitsaboana amin’ity CVO ity, ka efa misy ny toromatika avy amin’ireo mpitsabo. 

Ireo olona sitrana tao amin’ny hopitaly Anosiala, hoy ny Filoha, dia nanaiky nisotro io tambavy io avokoa sy ireo izay fanafody nampiarahan’ny mpitsabo tamin’ireo marary teo aloha. Nitondra voan-dalana CVO raha teo ny Filoham-pirenena mivady tamin’izao fandalovany teto Mahajanga io ary hozaraina eny amin’ireo fokontany 26 eto ambonivohitra izany.

Marcos.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés