Webradio

FIATREHANA NY VALANARETINA COVID-19 : Mbola hitombo ireo ivon-toeram-pitsaboana eto Antananarivo

Tafiditra ao anatin’ireo paikady apetraky ny Fitondram-panjakana amin’izao ady atao amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara izao ny fampitomboana ny ivon-toerana hahafahana mandray an-tanana sy manara-maso ireo marary.  28 juillet 2020

Hatreto, ivon-toerana telo lehibe no efa am-perin’asa tanteraka. Anisan’izany ny etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka, eny amin’ny CCO Ivato ary omaly ihany koa no nanomboka nandray marary ny etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Mbola hitombo hatrany anefa ireo ivon-toerana ireo. Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ity herinandro na ny herinandro ho avy io no hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny ivon-toerana fanampiny etsy amin’ny lisea teknika Alarobia. 

Ireto ivon-toerana ireto dia nomena ny anarana hoe  : Ivon-toeram-pitsaboana Covid-19 na “Centre de Traitement Covid-19”. Toerana manokana handray an-tanana sy hitsabo an’ireo olona izay voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus .

Mametraka ny fahalalahana hatrany anefa ny Fanjakana ao anatin’izany, ireo marary tsy afaka manao fihibohana any an-trano noho ny antony maro samihafa no tazomina sy arahi-maso ao anatin’ireo ivon-toerana. Izy ireo izay afaka handray marary hatrany amin’ny arivo mahery ho an’ny eto amin’ny Faritra Analamanga. Nohamafisin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta fa tanjona apetraka ao anatin’izao fanokafana ivon-toerana izao ny hahafahana mandray an-tanana feno ireo marary.

Vonona hiatrika ny valanaretina i Madagasikara ary vonona ihany koa amin’ny fandresena izany amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo tetikasa maro. Ankoatra ny ivon-toerana manokana dia hampitomboina ihany koa ireo ivon-toerana fanaovana fitiliana. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa manerana ny Faritra rehetra.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés