Niangavian’ny zandary ny mpamilin’ity fiara ity hamoha ny labasy aoriana hanaovana fitsirihana. Tampokatampoka teo anefa dia nisy finday naneno mafy avy ao anatin’ilay fitoeran’entana. Rehefa nozahana dia indreo olona maro mivangongo miafina voatakon’ny kesika sy baoritra tao aoriana. Nasaina nivoaka izy ireo ary nahatratra 16 ny isany, 6 lehilahy, 4vehivavy, 6 ankizy.
Araka ny famotorana vonjimaika nataon’ny zandary dia fantatra fa olona niakatra teo amin’ny fiantsonana Fasan-karana izy ireo ary nikasa hianatsimo. Nogiazan’ny zandary avy hatrany ny fiara, notanana harahi-maso koa ny mpamily sy ny mpamily mpanampy ary notanana ihany koa ireo mpandeha hanaovana famotorana.
Nanantitra hatrany ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa mamoafady tanteraka ankehitriny ny fanaovana fitaterana olona an-tsokosoko, satria izay ihany no niteraka ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus manerana ny Nosy.
N.A