Webradio

TRANGA VAOVAO CORONAVIRUS : Nahitana fihenana tato anatin’ny roa andro nifanesy

Na mbola tsy mitsaha-mitombo aza ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto Madagasikara dia efa nahitana fihenany kosa ny tranga vaovao tato anatin’ny roa andro nifanesy izay. 4 août 2020

Raha tsiahivina tamin’ireo herinandro maro teo aloha dia mahatratra hatrany amin’ny 500 ka hatramin’ny 400 mahery ny olona vaovao ahitana ny tsimokaretina ao anatin’ny 24 ora monja. Tato anatin’ny roa andro nifanesy anefa izay dia nahitana fidinany io tarehimarika io. Raha ny antontan’isa ofisialy nivoaka omaly antoandro dia tranga vaovao miisa 132 no voamarina taorian’ny fitiliana natao. Tarehimarika izay azo lazaina ho ambany raha mitaha amin’ny teo aloha.

Ny isan’ny fitiliana atao isan’andro anefa dia tsy mifanalavitra firy tamin’ny efa vita izay nahitana ireo tranga marobe. Hatreto dia foiben-toeran’ny valanaretina hatrany ny Faritra Analamanga. Ny 118 tamin’ireo tranga vaovao ireo dia teto Antananarivo avokoa. Ary miparitaka ho an’ny Faritra Itasy, Boeny, Atsinanana, Sofia ary Atsimo Andrefana kosa ny ambiny. Ho an’ny omaly dia nisy 381 ireo sitrana soa aman-tsara. Ary niampy efatra kosa ireo nindaosin’ny fahafatesana izay mananika ny 113 ny fitambaran’izy ireo hatreto.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés