Webradio

HAKINGAN-TANANA SY HAKINGAN-TSAINA : Hitety Faritra hampiseho ny talentany i Koukoumi mpanao mazia

Hitety Faritra haneho ny talentany Rabenjamalala Ny Aina Michou, fantatry ny maro amin’ny hoe i Koukoumi.  Misehatra eo amin’ny tontolon’ny mazia na hakingan-tanana sy hakingan-tsaina izy. 2 septembre 2020

«  Mbola kely aho dia tia «  magie  » fa ny taona 2016 vao tena niroso lalina ary ny 2018 no nanangana ny vondrona "Dynamic Magicians from Madagascar", izay vondrona manambatra tanora liana amin’ny tontolon’ny mazia eto Madagasikara. Andrankandrana no tena nandalinako azy tany am-boalohany nefa taty aoriana lasa tena fialamboly sy lasa vadin’asa kely mihitsy ilay izy, sady mahavita izay mba ilaiko madinidinika eny  », hoy i Koukoumi. 

Matetika amin’ny mariazy, tsingerin-taona nahaterahana, fetim-pianakaviana, lanonana samihafa no anehoany ny talentany, indraindray mampilalao ankizy eny an-dalana na any am-pianarana ihany koa. Ny hampandroso ny mazia  no tanjony ary hanana ny maha izy azy ny mpanao hakingan-tanana sy hakingan-tsaina  eto Madagasikara, ka hisian’ny mpanao mazia malagasy ahenoana laza any ivelany.
Maro karazana ny mazia na hakingan-tanana, «  mentalisme  » na hakingan-tsaina : ireo raha lazaina amin’ny ankapobeny fa afaka mizarazara toy ny «  illusion  », «  hypnose  », «  mémorisation  » sns. 

“Amin’izao, efa manomboka mihatony ny fisainan’ny olona, na dia mbola misy ary ireo mampitaha anay amin’ny devoly sy ny herin’ny maizina. Izaho kristianina ary amiko, ny fandraisana azy ho fialamboly, tsy manohintohina ny finoako an’Andriamanitra  velively, izy rahateo moa hakingan-tanana sy hakingan-tsaina”, hoy ny tovolahy, nanazava ny fiheveran’ny olona ny fanaovana mazia eto amintsika. Amin’ny faran’ity taona ity, hanao fitetezam-paritra manerana an’i Madagasikara, izay tsy mbola nandehanany ny lehilahy. 

Manana vinavina arak’asa hanao horonantsary matihanina miaraka amin’i Tanjona Andriamahaly Andrandraina, izay havoaka amin’ny “internet” sy “Tv France 5” koa ry zareo. “Tena misy mampiasa amin’ny ratsy mihitsy ny mazia, indrindra amin’ny resaka fisolokiana ary anisany tena manimba ny fiheveran’ny olona ny mazia mihitsy ireny trangan-javatra ireny”,  araka ny nambarany.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés