Webradio

FANATSARANA FAMATSIANA : Hahazo rano tsy ho ela ny ao Amborovy - Mahajanga

Tonga teto Mahajanga ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny rano nizaha ifotony ny olan’ny rano eto Mahajanga, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny sampan-draharaham-paritry ny rano sy ny Jirama eto an-toerana.  2 septembre 2020

Efa saika ny antsasa-manilan’ny mponina eto no tsy mahazo rano fisotro madio ara-dalàna intsony, hoy ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny rano,  satria raha miisa iray tapitrisa ny mponina eto Mahajanga ka kajiana ho mandany rano 45 litatra isan’olona isan’andro dia mahatratra any amin’ny 45 000 m3 isan’andro ny filàna rano eto.  Ankehitriny dia tsy afaka manome afa-tsy 25 000 m3 isan’andro ny fotodrafitrasa misy noho ny tsy fahampian’ny rano tonga amin’ireo siniben-drano. Eo amin’ny antsasaky ny rano ilain’ny mponin’i Mahajanga ihany sisa ihany no vokarin’ny orinasa Jirama.

Efa misy ny tetikasa voavolavola sy efa napetraky ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina sy efa nametrahany vatofehizoro teto Mahajanga dia ny fametrahana fotodrafitrasa hamatsian-drano ny fokontany Amborovy. Miainga avy eny Ambondrona na any Mangatokana izy io, ary any Mahavelona no hakana ny rano. Ny ampahaefatry ny fotodrafitrasa efa misy eto Mahajanga ihany no miasa ankehitriny satria tsy ampy ny rano tonga eny, noho ny tsy fahampian’ny fantson-drano lehibe hitondra ny rano.

Miisa efatra kosa ny "forage” sy “station de pompage" akana rano hameno ireo siniben-drano dia ny ao Ampombinavony, Andranotakatra, Mahavelona ary Ambondrona.  Ampy hamatsy an’i Mahajanga iray manontolo, anatiny Amborovy sy ireo fokontany avo toa an’i Manjarisoa ny rano misy ao amin’izy ireo. Dia miandry ny fanatanterahana izany ny vahoakan’i Mahajanga.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés